- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fandaniana Mandritra Ny Krismasy Shiliana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 23 Desambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ho avy ny Krisimasy. Manao topi-maso ny fihetsiky ny mpanjifa Shiliana mandritra ny fety ity lahatsoratra ity. Ary manoratra mikasika izay mety ho fanomezana ataon'ny  Shiliana. Manoritsoritra ny fanomezana be mpivarotra indrindra i Luis Alarcon [1] :

El éxito de esta navidad, poleras (polos, tshirt) con las pólemicas imágenes de Allende y el reciente fallecido Pinochet. Los encargados aseguran que su stock esta agotado y que la mayoría son vendidas al extranjero.

Ny lobaka (polo sy t-shirt) miaraka amin'ireo sarin'i Allende mampiady hevitra sy ny an'i Pinochet maty vao haingana no tena nalaza amin'ity Krismasy ity. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa efa lany ny tahiry amidy ary namidy tamin'ny vahiny ny ankamaroany.

Nivazivazy ihany koa izy mikasika ny adihevitra mikasika ireo mpanao politika roa ireo ary notohizany hoe ” amidy misaraka ny t-shirts sy ny teny fanevatevana”.

Inona no sakafon'ireo Shiliana rehefa Krismasy? Raha ‘pudding’ (godrogodro) ny an'ny Anglisy, ny Alemà kosa mihinana ny stollen [2] ary ny an'ny Italiana pannettone, manana ny ” Pan de Pascua [3] ” nentim-paharazana isika. Mofo ‘cake’ misy ‘noisette’ sy voankazo izy io.

Nanoratra momba ny fivarotana Pan de Pascua efa nomanina ao amin'ireo fivarotana roa lehibe ao Shily ny bilaogy Boliviana iray, Capacitacionencostos [4] :

Según Lider, anualmente venden cerca de 2 millones de unidades en los más de 100 supermercados que manejan en Chile, mientras que Alfredo Ruiz, administrador de perecibles de Jumbo La Dehesa, asegura que la cadena de Horst Paulmann espera vender más de 250 toneladas en esta temporada.

Araka ny voalazan'i Lider, mivarotra mofo manodidina ny 2 tapitrisa izy ireo any amin'ny fivarotan-dehibe mihoatra ny 100 manerana an'i Shily; nanamafy i Alfredo Ruiz, mpitantana ny Jumbo La Dehesa fa hivarotra Pan de Pascua maherin'ny 250 taonina amin'ity vanim-potoana ity ny orinasa Horst Paulmann.

Matetika mankalaza miaraka amin'ny hazo Krisimasy nentim-paharazana ny fianakaviana Shiliana. Mety ho tsikaritra any amin'ny faritra malaza fa hikarakara izany ny kaominina, toy ny tao Iquique izay nasaina handrehitra hazo avokoa ny vondrom-piarahamonina rehetra tao Pozo Almonte. Araka ny nohazavain'ny extraiquique [5] (ES) hoe:

11 metros de altura, 300 mil luces forman parte del árbol de navidad que desde hace 11 años la Ilustre Municipalidad de Pozo Almonte enciende en Diciembre. El árbol se “ prendió” por primera vez el año 1995 y desde esa fecha Elías Muñoz es quien año a año instala las luces demorándose 30 días en el montaje.

11 metatra ny haavony, ary misy jiro miisa 300.000 eo amin'ny hazo izay manazava ny kaominin'i Pozo Almonte nandritra ny 11 taona isaky ny volana Desambra. Tamin'ny taona 1995 no nasiana jiro voalohany ny hazo ary nanisy jiro izany isan-taona mandritra ny 30 andro i Elias Muñoz nanomboka tamin'izay fotoana izay.