Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Rosia: “Fanavakavahana”

(Marihina fa tamin'ny 20 May 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tsy vitan'ny vola na ny fotoana ihany vao afaka amboarina ny solosainanao indraindray ao Moskoa fa ilaina ihany koa ny endrikao ivelany, ny faharetanao ary ny hafanam-ponao manokana. Nitatitra ilay mpisera LJ kmaka tamin'ny resadresaka vao haingana niarahana tamin'ny solontenan'ny sampan-draharaha fanohanana ara-teknika:

Discrimination

I call the service center to arrange taking my warrantied laptop there. I ask how long it'll take them to replace a CD-ROM. Ten days, they reply. How come, I say, all it takes is pushing one button twice… Well, there's this and that. I do arrange to take it there, then they'll make the order. And then, when the part arrives, I'll take it there again.

And you say you work from 10 to 6, I decide to clarify. Does it mean you really open at 10? That is, if I come at 10, will anyone be there?

No, they reply, there won't be anyone. Not until 11.

And could you somehow arrange for someone to be there, I say, because I have to go to work, too.

 

Well, a service representative Sergei tells me, if you are a long-legged, slender blonde, then yes, this can be arranged.

We ended up agreeing that Sergei would bother showing up at 10:30, thus doing a favor to a nice-looking brown-haired woman with an incredible decollete, husband and child.

I'm wondering now whether I should call the IBM headquarters and tell them about the peculiarities of the Russian service – or whether I should visit the hospitable office first.

 

Fanavakavahana

Niantso ny sampan-draharaha foibe aho mba hijery ilay solosainako manana fiantohana. Nanontany aho hoe hafiriana no hanoloan'izy ireo ny CD-ROM. Folo andro, hoy izy ireo namaly . Fa nahoana ary izany, hoy aho, manindry bokotra iray indroa fotsiny anefa no atao … Eny, mbola misy ny toy izao sy izao. Ho entiko any ilay izy ary ho hazavaina amin'izy ireo. Ary avy eo, halaiko any indray izany rehefa tonga ny fotoana .

Ary milaza ianareo fa misokatra manomboka amin'ny 10 ora ka hatramin'ny 6 ora, tiako hazava. Midika ve izany fa tena misokatra amin'ny 10 ora tokoa ianareo? Izany hoe, raha tonga any amin'ny 10 ora aho, hisy olona ve any?

Tsia, hoy izy ireo namaly, tsy misy olona ato raha tsy amin'ny 11 ora.

Ary azonao atao ve ny mandefa olona iray ho any, hoy aho, satria tsy maintsy mbola hiasa ihany koa aho.

Eny, hoy ilay solontenan'ny sampan-draharaha Sergei tamiko, raha toa ianao ka lava ranjanana sady tsara bika sy ‘blonde’ dia eny fa azo alamina izany.

Nifanaiky izahay ny farany fa hisahirana ho tonga amin'ny 10:30 i Sergei, satria hanao ny sitrapon'ilay vehivavy tsara bika miaraka amin'ny volo volontany sy akanjo mampiseho tratra, manambady sy mananjanaka.

Manontany tena aho amin'izao fotoana izao raha tokony hiantso ny foiben'ny IBM ary hilaza amin'izy ireo ny momba ny fomba fiasan'ny sampan-draharaha Rosiana manokana – na raha tokony hitsidika ilay birao tsara fandraisana aho aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.