Nametra-pialàna Ny Filohan'ny Parlemanta ao Ethiopia Noho Ny ‘Tsy Fanajana Ny Vahoaka Oromo. Miova Ve Ny Fifandanjam-pahefana?

Fihaonan'ny EPRDF farany tao Addis Ababa tamin'ny taona 2010. Sary: BBC World Service (Uduak Amimo) tao amin'ny Flickr. CC BY-NC 2.0

Mampiseho ny zava-nitranga vao haingana fa miady toerana ny fiaraha-mitantana tantanin'ny foko maromaro ao Etiopia, ny Manda Revolisioneram-bahoaka Ethiopiana (EPRDF), ka matahotra ny sasany fa mety hanakorontana ny firenena ny adim-pahefana.

Ny hafa kosa manantena fa mety manamarika fitomboan-kerin'ny foko Oromo maro an'isa amin'ny politika izany.

Nitranga tamin'ny volana oktobra ny olana raha nilaza i Abadula Gemeda, filohan'ny parlemanta Etiopiana fa hahafoy ny maritòany ary hiala amin'ny toerany. Notohizan'i Abadula tamin'ny resadresaka lavabe nifanaovana tamin'ny televizionam-panjakana izany, ka nilaza izy fa tsy liana amin'ny toerana maha-filoha azy intsony satria “tsy voahaja ny vahoakako sy ny antokoko” ary nanazava ny tetikasany hiady amin'ny “hamerenana indray ny fanajana mendrika ho an'ny vahoaka Oromo.” izy

Abadula dia mpikambana nanorina ny Fikambanana Demaokratikan'ny Vahoaka Oromo (OPDO), iray amin'ireo antoko ara-poko efatra izay mandrafitra ny EPRDF. Ny telo sisa ambiny dia ny Hetsika Demaokratikam-pirenena Amhara (ANDM), ny Hetsika Demaokratikan'ny vahoaka Etiopiana Tatsimo (SEPDM) ary ny mandam-panafahan'ny Vahoaka Tigrayan (TPLF).

Milaza fa misolotena vondrona ara-poko manokana ireo antoko efatra ireo, saingy mitovy foto-kevitra, fikambanana ara-politika ary fironana ara-politika. Amin'ireo, ny TPLF no antoko faratampony, maneho ny tenany ho mpiaro ny tombotsoan'ny vahoaka Tigryan. ANDM sy OPDO kosa dia heverina ho mpiray tsikombakomba an-tsitrapo amin'ny TPLF, saingy maneho ny tenan'izy ireo ho solontenan'ny vondrom-piarahamonina Amhara sy Oromo tsirairay avy. Ny SEPDM indray dia fitambarana antoko politika avy amin'ireo vondrona ara-poko vitsy an'isa. Matetika heverina ho miankina amin'ireo miankina izy satria natsangana hanoa ireo telo hafa.

Tsy mifanaraka amin'ny haben'ny vondrom-piarahamonina soloin'izy ireo tena ny fahasamihafan'ny hery ampiasain'ireo antoko samihafa. Mikasika ny habetsaky ny mponina, ny Oromos no vondrona ara-poko lehibe indrindra ao Ethiopia. Araka ny fanisàm-bahoaka natao tamin'ny taona 2007, Oromos no mandrafitra ny 34,4 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena, Amharas kosa eo amin'ny 27 isan-jato ary 14% ny vahoaka Etiopiana Tatsimo .

Na dia mandrafitra ny 6,1 isan-jaton'ny mponina ihany aza ny Tigrayiana, izy ireo no manjaka ao amin'ny biraon'ny miaramila ambony indrindra izay mifehy ny fiarovam-pirenena sy ny fitsikilovana.

Niteraka hetsi-panoherana  goavana tao anatin'ny telo taona lasa ny fanilikilihana ny vahoaka Oromo. Natao tao Oromia, faritra ao Etiopia izay misy ny ankamaroan'ny mponina Oromo ny fihetsiketsehana isan'andro manohitra ny TPLF, ary misy ny resaka fa tohanan'ireo mpikambana fototra ao amin'ny OPDO mangingina ny fihaonana hihetsiketsehana.

Izany no mahatonga ny sasany mahita ny fametraham-pialan'i Abadula ho fanasongadinana ny fitomboan-kerin'ny OPDO, antoko iray izay matetika voampanga ho manatontosa ny paika ara-politikan'ny TPLF ao Oromia. Ny lehiben'ny mpanohitra malaza,  Lencho Bati, monina any am-pielezanananeho hevitra tao amin'ny Facebook:

In my opinion, his resignation is like throwing a gasoline to the fire that is already out of control. It is a historical step that signals and symbolizes end of OPDO's submission to Tigreans dominance.

Raha ny hevitro, toy ny manipy lasantsy amin'ny afo izay efa tsy voafehy intsony ny fametraham-pialany. Dingana iray manan-tantara izany izay manamarika sy mampiseho ny fiafaràn'ny faneken'ny OPDO ny fanjakazakan'ny Tigrayana.

Ny hafa kosa nanambara fa ny fialan'i Abadula dia fampielezan-kevitra. Abebe Gelaw, mpikatroka mpanohitra malaza, nanoratra hoe:

TPLF is good at recycling its use-and-throw officials. The “resignation” of Abadula from his ceremonial position in TPLF's rubber stamp parliament is not as significant as some would like us to think. It is to be remembered that the former prisoner of war, whose real name was Menase Wolde Giorgis, was once made a Major General. In 2005, he was made to vacate his position as Minister of Defense and was rebaptized Ato Abadula Gemeda, “President” of Oromia regional state. It is a folly to expect someone who leads a fake life–with fake name given to him by the TPLF, fake power and even fake degrees he bought for cheap to become a champion of the people he has betrayed throughout his adult life. The plain and simple truth is that Abadula is one of these political prostitutes owned and enslaved by the TPLF. This is a reality he has accepted for far too long. His resignation is not even a symptom of the crisis in TPLF's tyranny because the crisis is obvious without a puppet's resignation. We will wait and see what his masters will do with him again.

Mahay manavao ireo manampahefanany voaraoka sy vaovao ny TPLF. Tsy manan-danja araka ny tian'ny sasany hoeritreretintsika ny “fametraham-pialan'i” Abadula amin'ny toerany lehiibe ao amin'ny parlemantan'i TPLF. Tokony hotsarovana fa natao Jeneraly Lehibe ilay gadra an'ady taloha, izay Menase Wolde Giorgis no tena anarany. Tamin'ny taona 2005, noterena handao ny toerany amin'ny maha Minisitry ny Fiarovana izy ary nantsoina indray hoe Ato Abadula Gemeda, “Filohan'ny” fanjakan'ny Faritra Oromia. Hadalana ny manantena olona iray manana fiainana sandoka – amin'ny anarana sandoka nomen'ny TPLF, fahefana sandoka ary koa mari-pahaizana sandoka mihitsy no novidiany mba ho lasa tompondakan'ny olona efa nivafihany nandritra ny fiainany mahaolon-dehibe. Ny tena marina sady tsotra dia iray amin'ireo mpivaro-tena ara-politika izay andevozin'ny TPLF i Abadula  Tena zava-misy nekeny hatry ny ela izany. Tsy mariky ny krizy ao amin'ny jadon'ny TPLF akory ny fametraham-pialany satria efa miharihary ny krizy na dia tsy misy aza ny fialàn'ny saribakoly. Hiandry sy hanitaizay ho ataon'ireo tompony aminy indray isika.

Na izany aza, toa sahala amin'ny hoe mihen-danja ny fanjakazakana ara-politikan'ny TPLF nandritra ny 25 taona lasa, ary marefo ny fiaraha-mitantana eo amin'ny fitondrana.

Ho fanombohan'ny tsy fitovian-kevitra ao anatin'ny EPRDF ny fametraham-pialan'i Abbadula, filohan'ny antenimieram-pirenena ao #Ethiopia.

Toa faminaniana ny siokan'i BefeQadu etsy ambony, satria niala tamin'ny toerany maha-mpanolotsaina ny praiminisitra i Bereket Simon, mpikambana nanorina ny ANDM herinandro latsaka taorian'ny fametraham-pialàn'i Abadula.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.