Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

09 Novambra 2017

Tantara tamin'ny 09 Novambra 2017

Manasongadina Sakafo, Dihy Ary Mofo Naan Ny Fankalazana Ny Diwali Lehibe Indrindra Tao Japana

Noho ny fitomboan'ny fifamatorana nisy teo amin'ny firenena roa tonta, nitombo ny isan'ireo Indiana monina ao Japana nandritra ny roampolo taona lasa, fara fahakeliny 28.000.

Niaro An'ilay Mpanao Gazety Nogadraina ny Didim-pitsarana Makedoniana.

GV Mpisolovava

Afaka manantena fanafoanana ofisialy an'ireo fiampangana azy ara-politika ihany ilay mpanao gazety Makedoniana Tomislav Kezarovski nony farany, rehefa avy niady hahazo izany efa ho dimy taona.

Nametra-pialàna Ny Filohan'ny Parlemanta ao Ethiopia Noho Ny ‘Tsy Fanajana Ny Vahoaka Oromo. Miova Ve Ny Fifandanjam-pahefana?

Toy ny manipy lasantsy amin'ny afo izay efa tsy voafehy intsony ny fametraham-pialany. Dingana iray manan-tantara izany izay manamarika sy mampiseho ny fiafaràn'ny faneken'ny OPDO ny fanjakazakan'ny Tigreans.

Rosia: “Fanavakavahana”

Tsy vitan'ny vola na ny fotoana ihany vao afaka amboarina ny solosainao indraindray ao Moskoa fa ilaina ihany koa ny endrikao ivelany, ny faharetanao ary ny hafanam-ponao manokana . Nitatitra ilay mpisera LJ kmaka tamin'ny resadresaka vao haingana niarahana tamin'ny solontenan'ny sampan-draharaha fanohanana ara-teknika.

Ny Bitsibitsika Afgana : Hankalaza Sa Tsia!

Miresaka momba ny tsingerintaona nirodanan'i Kabul teo am-pelatànan'i Mujahedin ireo bilaogera Afgana . Tsy mitovy hevitra izy ireo na hankalaza izany na tsia. Nahoana no tokony hankalaza io andro io ny vahoaka Afgana? Moa ve nahazo fahafahana, rariny ve izy ireo na ....

Ny Fandaniana Mandritra Ny Krismasy Shiliana

Ho avy ny Krisimasy.  Manao topi-maso ny fihetsiky ny mpanjifa Shiliana mandritra ny fety ity lahatsoratra ity. Ary manoratra mikasika izay mety ho fanomezana ataon'ny  Shiliana. Manoritsoritra ny fanomezana be mpivarotra indrindra i Luis Alarcon .

Bitsibitsika Afgana : Fiarahamonim-pirenena, Kolikoly Ary Fitondrana Laika

"Satria lasa tanànakely madinika iray kanefa manerantany ity tontolo ity dia tsy miteraka fotsiny ny fisaratsarahana ao anatin'ny fianakavian'olombelona ny zava-misy toy izany, fa manimba ihany koa ny ezaka atao amin'ny fandriampahalemana sy ny firaisankina manerana izao tontolo izao."

Hibilaogy i Khatam, Fiaramanidina Nianjera & Niharam-boina, Mofo & Fahalalahana!

Araka ny filazan'i Zannevesht, vehivavy Iraniana bilaogera sady mpanao gazety, nanapa-kevitra hibilaogy amin'ny faran'ity herinandro ity ny filoha teo aloha Khatami.

Jordania: Ny Bilaogin-dahatsarin'ny Mpanjakavavy Rania

Nosaloran'ny Blogger Times, gazetibokin'ny bilaogy tantanan'ireo bilaogera Arabo,  ny anarana hoe "bilaogeran-dahatsary Arabo malaza indrindra " tao amin'ny YouTube ny mpanjakavavy Rania any Jordania  taorian'ny fahombiazan'ireo andian-dahatsary tao amin'ny YouTube izay nalefany mba hiadiana amin'ny karazana fiheveran-diso mikasika ny Arabo.