- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Tseky: Hafatra Ho An'i Condoleezza Rice

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Repoblika Tseky, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 11 Febroary 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

[1]

Nahitana ny taratasy iombonana iray ho an'ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice teo amin'ny rindrina iray tao Brno [2], ilay tanàndehibe Tseky faharoa. Rehefa nahita izany i Swobodin v Brne dia nangataka ny namana iray mba hamadika ho teny Anglisy ilay lahatsoratra izay niseho teo akaikin'ny sarin'i Rice sy ny sary hosodokon'ny afrikana andevo iray izy [3]:

Dear Madam the minister,

Please do not forget your slave origins.
They got their freedom.
Let freedom and peace to other people.

Sincerely,
Brno people.

Ramatoa minisitra,

Aza adinoina fa taranak'andevo ianao.
Nahazo fahafahana izy ireo.
Avelao ho an'ireo hafa ny fahafahana sy ny fandriampahalemana.

Misaotra Tompoko,
Vahoakan'i Brno.