- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

(Tamin'ny) Fampitsaharan'Asan'ny Filohan'i Filipina

Sokajy: Filipina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra taona 2006)

Olom-pirenena 200 mahery no nametraka fitoriana hanongana ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Bantay Impeachment 2 [1] manome fanavaozam-baovao momba izany. Azo vakiana eto ihany koa ny lahatsoratra feno momba ny fitarainana.

Maniry i Tonyo [2] mba tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ny raharaha ireo mpanao lalàna izay voarohirohy tamin'ny tantara ratsy momba ny kolikoly. Manontany izy hoe:

“First of all, how can any decent Filipino accept the reasoning of President Arroyo's son not to inhibit himself in the House justice committee proceedings?”

“Voalohany indrindra, ahoana no haneken'ireo Filipiana “mendrika” ny fisainan'ny zanakalahin'ny filoha Arroyo mba tsy hiditra amin'ny fizotry ny fitsarana ataon'ny vaomieran'ny fitsarana?”

The Philippine Experience [3] nibilaogy momba ny fikasana hanao kolikoly amin'ny mpanao politika izay hifidy ny raharaha fampitsaharan'asa.

Niresaka momba ny famonoana ara-politika ao amin'ny firenena, izay iray amin'ireo olana amin'ny fampitsaharan'asa ny Confessions of a Bystander [4]. Nilaza momba ny fankasitrahan'ny filoha an'ny Jeneraly Lehibe Jovito Palparan izay voampanga ho nanao fanitsakitsahana ny zon'olombelona ihany koa izy. Ity sombiny tamin'ny bilaoginy:

“What in the world was in Arroyo's mind when she approved of Palparan's killing spree while at the same time condemning the alarming spate of political killings in the country? Either she thinks we are too dumb not to pierce through her veil of lies or she honestly thinks Jovito Palparan is a mere innocent bystander…How many activists, journalists, oppositionists and well-meaning citizens have to die under this Administration before the Filipino people will realize that this blatant disregard for human life has got to stop?”

“Inona no an-tsain'i Arroyo raha nankasitraka ny famonoana an'i Palparan izy no sady miampanga ireo andiana famonoana ara-politika mampiahiahy ao amin'ny firenena? Heveriny angamba fa dondrona loatra isika ka tsy mahita ny laingany na izy mihevitra am-pahatsorana fa mpandalo tsy manan-tsiny fotsiny i Jovito Palparan… Firy ireo mpikatroka, mpanao gazety, mpanohitra ary olom-pirenena tsara fanahy tsy maintsy mamoy ny ainy eo ambanin'ity Fitondrana ity alohan'ny hahalalan'ny vahoaka Filipiana fa tsy tsy maintsy hajanona ity tsy firaharahiana miharihary ny ain'olombelona ity? “

Gerry Albert Corpuz Presents [5] mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny filoha fa oroka amin'ny fahafatesana ny tsy fifidianana ny fampitsaharan'asa.

“Tsy hamonjy ny asan'izy ireo ara-politika manjavozavo tanteraka ny fanafihana ara-politika ataon'ny filoha Arroy. Fanorohana ny fahafatesana, sy famonoan-tena ny fihetsika manohitra ny fampitsaharan'asa. “

Vakio ihany koa ny fanambaran'ny Filoha [6] sy ny Filohan'ny Antenimiera [7]  momba ny raharaha fampitsaharan'asa.