- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Mitohy Ny Sit-In Manohitra ny Governemanta Vonjimaika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2011 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Fitantarana manokana ataonay momba ny Revolisiona Tonizia 2011 ity [1] lahatsoratra ity.

Taorian'ny revolisiona vao haingana [2]tao Tonizia, mbola marefo sy atahorana ny toe-draharaha ara-politika ao amin'ny firenena, satria miditra amin'ny andro fahaefatra manaraka ny sit-in ataon'ireo mpanao hetsi-panoherana ao amin'ny kianjan'i Kasbah eo akaikin'ny tranoben'ny governemanta ao an-drenivohitra Tunis. Nampiseho famantarana tsy fihemorana ireo mpanao fihetsiketsehana ary tapa-kevitra ny hanohy ny fihetsiketeshana mandra-pivaly ny fitakiany rehetra, izay ara-politika avokoa.

Ny tena lasibatr'izy ireo dia ny governemanta vonjimaika, izay heverin'ny mpanao fihetsiketsehana ho tsy ara-dalàna sy tsy misy solontenan'ny vahoaka, fa fanitarana fotsiny ny  fitondran'ny filoha voahongana teo aloha Ben Ali.  [3]

The list of the sit-in protestors' 'Popular Demands' written on the Tunisian flag. Photo by Winston Smith. [4]

Ny lisitr'ireo “Fitakiam-bahoaka” nosoratan'ny mpanao fihetsiketsehana sit-in  tamin'ny sainam-pirenena Toniziana. Saripikan'i Winston Smith.

Anisan'ireo lisitry ny “Fitakiam-bahoaka” an'ireo mpanao hetsi-panoherana: ny fanafoanana ny antenimieran'ireo solombavambahoaka sy ny mpanolo-tsaina, ny fametraham-pialan'ny praiminisitra vonjimaika Mohammed Ghannouchi sy ny governemantany, ny fanafoanana ny antokon'ny fitondrana teo aloha RCD CD (Le Rassemblement constitutionnel démocratique), ary ny fametrahana antenimieram-panorenana.

Bilaogera Toniziana iray ao amin'ny Kissa Online nanoratra [5] hoe:

رجعنا عشية يوم 20 فيفري 2011 للإ عتصام ببطحاء القصبة بتونس حيث مقر الحكومة…مطالبين برحيل محمد الغنوشي و جماعته…حاولت الشرطة إخراجنا من البطحاء ليلة 20 لكنها لم تفلح…

Niverina izahay ny tolakandron'ny 20 Febroary 2011 mba hanao sit-in ao an-kianjan'i Kasbah ao Tunis, akaikin'ny tranoben'ny governemanta mba hangataka ny fialan'i Mohammed Ghannoushi sy ny namany … Nandritra ny alina, niezaka nandroaka anay tao amin'ny kianja ny polisy saingy tsy nahomby ry zareo …
Protestors at Al-Kasbah square in Tunis during the night. Image taken from blog Kissa Online. [5]

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Al-Kasbah ao Tunis nandritra ny alina. Sary nalaina tao amin'ny bilaogin'i Kissa Online.

Tunisien Libre [6] nilaza fa efa nanomboka nioty vokatra tsara ny sit-in:

Depuis le début du sit-in à la Quasba, le gouvernement commence à bouger, hier, une demande d'extradition de l'ex-président Ben Ali, aujourd'hui une demande d'extradition de sa femme, et une demande de dissolution du RCD présentée par le ministre de l'intérieur au Tribunal de première instance de Tunis.

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny sit-in tao Kasbah, nanomboka nihetsiketsika ny governemanta, omaly: nangataka ny fampodiana ny filoha teo aloha Ben Ali sy ny vadiny ny governemanta, ary ankehitriny, mangataka ny fanafoanana ny RDC napetraky ny Minisitry ny atitany tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Tunis.

Heny (@dr_heny [7]) nisioka hoe:

انفروا الى القصبة يا شباب تونس! الثورة تحتاجنا ! حرروا تونس من بقايا النظام الفاسد.الانجاز لم يكتمل بعد.

Mankany Kasbah, ny tanora Toniziana! Mila antsika ny revolisiona! Afaho amin'ny fitondrana mpanao kolikoly tafajanona i Tonizia. Mbola tsy feno ny zava-bita.
Takriz Network [8], vondrona mpandini-draharaha an-tserasera Toniziana sady vondrona mpanohitra nisioka hoe:

يا توانسه ثورتكم في خطر موت و القصبه العزه و في نصرتها الآن يكمن القضاء على حكومه العار و الدمار

Toniziana! Miatrika fandrahonana ho faty ny revolisionanao, ary ny hany fomba hahazoana fandresena dia ny kianjan'i Kasbah. Ankehitriny, afaka manaisotra ny henatra sy ny fandravana ataon'ny governemanta isika!

Liliopatra (@liliopatra [9]) maneho ny fanohanany ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Kasbah:

Manifestants à la Kasba,on est avec vous. Nous sommes unis plus que jamais.Honorables martyrs,vous ne serez pas morts pour rien

Mpanao fihetsiketsehana ao Kasbah, miaraka aminareo izahay. Miray saina mihoatra noho ny hatramin'izay isika. Maritiora mendri-boninahitra, tsy verivery foana ny ainao.

Na dia izany aza, tsy faly amin'ny sit-in ny ampahany kely amin'ny tanora Toniziana ary miahiahy an'ireo mpanao fihetsiketsehana izay heveriny ho mpanakorontana.

Amira Yahyaoui (@Mira404 [10]), mpikatroka Toniziana ho an'ny fahalalahana misioka:

Les manifestants de la Kasbah sont manipulés, s'ils ne le sont pas ce sont des anarchistes. Le lavage de cerveau : ça marche!

Voafitaka ireo mpanao fihetsiketsehana ao Kabash, raha tsy izany mpanakorontana. Mandeha ny fanasana atidoha!

Aliboulila (@aliboulila [11]) nametra-panontaniana hoe:

??????? j'y comprend rien moi! C'est quoi l'objectif du sit-in d'El Kasbah cette fois?

????? Tsy misy azoko izy izany! Inona no tanjon'ny sit-in ao amin'ny Kasbah amin'ity indray mitoraka ity?

Sami Mzoughi (@learningwithsam [12]) nisioka hoe:

Sit-in à la Kasbah: le peuple tunisien veut tout et tout de suite… mais c'est pas en une semaine qu'on va rattraper 23ans de connerie…

Sit-in ao amin'ny kianjan'i Kasbah: Te hahazo zavatra tsy misy hatak'andro ny vahoaka Toniziana ..saingy tsy ao anatin'ny herinandro no hanarenana ny hadalana 23 taona…