Bilaogy Afghanistana: Mpanao Tononkalo Namoy ny Ainy, Herisetra & Fanafahana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Guftugo (midika hoe fifanakalozan-kevitra), bilaogera Afgana, manoratra momba an'i Nadia Anjoman, poeta novonoin'ny vadiny tao Herat. Maro no nilaza fa fahasarotam-piaro no antony nahatonga ilay lehilahy namono ity tanora poeta ity. Nilaza i Guftugo fa ao anatin'ny fiarahamonina maloka ao Afganistana, mijaly ny lehilahy sy ny vehivavy. Manontany tena ny amin'ny fomba nahafahan'ny vadin'i Nadia nanao heloka toy izany i Guftugo. Angamba mety mahita valiny ao amin'ny bilaogin'i Sanjar avy any Kabul isika:

“Is violence a need or a mistake? violence comes to existence when people mishandle or can't handle a conflict. However, as time pass violence transforms to a habit.”

“Filàna sa fahadisoana ny herisetra? misy ny herisetra rehefa misy olona tsy mahay mitantana na tsy mahavita mitantana disadisa. Na izany aza, satria mandeha ny fotoana, nivadika ho fahazarana ny herisetra. “

Niresaka momba an'i Abdul Ali Mezrai izay novonoin'ny Taliban valo taona lasa ihany koa i Guftugo. Filohan'ny antoko Wahdat (“Mitambatra”) i Mezrai.  Araka ny filazan'i Guftugo, matoky ny fitoviana eo amin'ny vehivavy sy ny lehilahy i Mezrai. Mihevitra ihany koa izy fa ny rafitra federaly no tsara indrindra amin'ny fitondrana Afghanistana.

Afghanistan Warrior (rohy amin'ny teny Anglisy) indray mampahatsiahy antsika fa andro lehibe ho an'i Afghanistan ny 13 Novambra :

“The 13th of November, is the anniversary of when the Taliban fighters escaped from Kabul, the capital of Afghanistan. On this day the Northern Alliance, with the help of coalition forces, overthrew the Taliban regime from the capital Kabul and made them withdraw to the southern and southeastern provinces as they were ousted from Kabul. The Kabul citizens were freed from the hardline regime's prison and they came out onto the roads and celebrated the defeat of the Taliban government and they started their free lives.”

“Ny faha-13 Novambra no tsingerintaona nandosiran'ireo mpiady Taliban tao Kabul, renivohitr'i Afganistana. Tamin'io andro io, nanongana ny fitondrana Talibana avy ao Kabul renivohitra ny Firaisana Tavaratra, miaraka amin'ny fanampian'ny tafika fiaraha-mitantana, ary nanaisotra azy ireo tao amin'ny faritany atsimo sy atsimo-atsinanana satria voaroaka tany Kabul izy ireo. Noafahana tao amin'ny fonjan'ny fitondrana mahery fihetsika ny olom-pirenena Kabul ary nivoaka teny amin'ny arabe nankalaza ny faharesen'ny governemantan'ny Taliban ary nanomboka ny fiainany afaka izy ireo. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.