Manamora Ny Fanafoanana Ireo Vondrona Mahery Fihetsika Ny Lalàna Indoneziana, Saingy Mety Hanohintohina Ny Fahalalahana Sivily

Voakasiky ny lalàna vaovao izay manome fahefana ho an’ ny governemanta mba handràra ireo vondrona manohintohina ny firaisam-pirenena ihany koa ny fikambanan'ny daholobe Indoneziana. Sary Flickr an'i Jordi Bernabeu Farrús (CC BY 2.0)

Nandany ny didy hitsivolan'ny filoham-pirenena ho lalàna ny solombavambahoaka Indoneziana izay manome fahafahana ho an'ny governemanta mba hanafoana fikambanana na dia tsy misy didim-pitsarana mialoha aza, nampitandrina anefa ireo manam-pahaizana momba ny lalàna sy ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona fa mampidi-doza ny fahalalahana sivily izany.

Filoha Joko Widodo (Jokowi) namoaka ny fanitsiana naroso tamin'ny Lalàna laharana 17/2013 momba ny Fikambanana Fiarahamonina Sivily tamin'ny 10 Jolay 2017. Raràn'izany lalàna izany ireo vondrona manitsakitsaka na manohintohina ny foto-kevitra fanajana ny fahamaroan-kevitra fantatra amin'ny anarana hoe Pancasila.

Nilaza i Jokowi fa ilaina ny miaro ny firaisam-pirenena sy ny fahasamihafana ao amin'izao fitomboan-kerin'ireo vondrona islamika mahery fihetsika izao.

Ahitana Silamo betsaka indrindra manerantany i Indonezia ary miezaka mampiroborobo ny fomba fijery tony amin'ny finoana silamo. Saingy tato anatin'ny taona vitsy, lasa mahery setra ireo fikambanana sasantsasany amin'ny fampiharana an-katerena ny foto-pampianaran'izy ireo tsy mandefitra, izay niteraka tahotra amin'ny fihanaky ny fanavakavahana ara-pivavahana.

Raha ny tena izy, te handràra ireo vondrona toy ny Hizbut-Tahrir Indonezia (HTI) izay mikendry hanangana kalifa ao amin'ny firenena ny governemanta. Ny HTI dia iray amin'ireo vondrona nanetsika ireo mpanaraka azy an'aliny ary nahomby tamin'ny antsony hanongana ny governora Kristianina ao Jakarta, izay voampanga ho tsy manaja ny silamo. Mpiara-dia amin'i Jokowi i Ahok, governoran'i Jakarta teo aloha.

Raha maro ireo vondrona laika sy mpikatroka zon'olombelona manohana ny hetsiky ny governemanta manohitra ny HTI, naneho mafy ny ahiahiny mikasika ny fiantraikan'ny lalàna vaovao momba ireo vondrona hafa ao amin'ny firenena izy ireo. Nanipika izy ireo fa manome  fahefana lehibe ho an'ny mpanatanteraka sy tsy filazalazana be loatra ny fanapahan-kevitra mikasika izay vondrona heverina ho loza mitatao amin'ny firaisam-pirenena ny lalàna vaovao. Nilaza koa izy ireo fa manohintohina ny fahalalahana sivily sy ny zon'olombelona hafa voalazan'ny lalàmpanorenana ny didim-panjakana.

Jakarta Post namoaka lahatsoratra fampitandremana manoloana ny “fananganana ho velona ny avelon'ny didy jadona”

The new law gives the government a blank check to outlaw any organization or group it pleases on the grounds that their platforms or activities run counter to the state ideology or the Constitution.

There is no guarantee the current or future governments will not be tempted to exercise the new power to quell critics or opposition using the pretext of national security.

Manome fahefana ho an'ny governemanta ny lalàna vaovao mba handràra izay fikambanana na vondrona izay tiany eny ifotony ka mifanohitra amin'ny foto-kevi-panjakana na ny lalàm-panorenana ny sehatra na ny zavatra ataon'izy ireo.

Tsy misy ny antoka fa tsy ho halaim-panahy hampiasa ny fahefana vaovao mba hampangina ireo tsikera na fanoherana amin'ny alalan'ny  filazana fa fiarovam-pirenena ny governemanta amin'izao fotoana izao na ny ho avy.

Nanomboka ny taona 1965 hatramin'ny taona 1998, notantanan'ny Jeneraly Suharto izay voampanga ho nanitsakitsaka ny zon'ireo Indonezianina an'arivony i Indonezia.

Nandinika ny lalàna Ny Fikambanana Indoneziana Manampy amin'ny Lafiny Ara-Pitsarana ary namintina fa “manohy amin'ny fomba fandikana hevitra marobe amin'ny andininy momba ny fitenenan-dratsy” izany izay mety hitarika fanamelohana izay hetsika heverin'ireo eo amin'ny fahefana fa fandrahonana.

Nampahatsiahy ny governemantan'i Jokowi i Usman Hamid, talen'ny Amnesty International Indonesia, fa misy safidy tsara kokoa hiadiana amin'ny fironana mitrifatrifana:

There are many ways for the Indonesian government to combat radicalism and defend social cohesion. Removing almost all meaningful legal protections of freedom of association is not the way to do that. Indonesia’s pluralist politicians and civil society are understandably deeply antagonistic towards the anti-democratic mission of groups like Hizbut Tahrir Indonesia. So are we. But we should recognise that the same laws that protect HTI from arbitrary state action are the ones that protect the forces of democracy and human rights as well.

Misy ny fomba maro ny fiadiana amin'ny fironana mitrifatrifana sy hiarovana ny firaisana ara-tsosialy atolotra ny governemanta Indoneziana . Tsy ny fanesorana ny fiarovana ara-pitsarana lehibe rehetra momba ny fahalalahana ara-pikambanana no fomba hanaovana izany. Manohitra mazava ny iraka anti-demokratika ataon'ireo vondrona tahaka ny Hizbut Tahriri Indonesia ireo mpanao politika plioralista Indoneziana sy ny fiarahamonim-pirenena. Toy izany koa isika. Saingy tokony ekentsika fa ireo lalàna izay miaro ny HTI amin'ny hetsika jadona ataon'ny fanjakana dia ireo izay miaro ny herin'ny demokrasia sy ny zon'olombelona ihany koa.

Mpampianatra ambony, Deasy Simandjuntak, nanontany momba ny fomba fiasa nataon'ny governemanta tamin'ny fiadiana amin'ny vondrona toy ny HTI:

The Indonesian government is walking on thin ice as it navigates between the need for stability and security on the one hand, and its democratic commitment to ensuring political freedom for all Indonesians on the other.

The rise of intolerance does call for stronger government intervention in curbing the growth of hardline groups. However, the question remains whether an expansion of powers that gives the Indonesian government close to unfettered discretion to define which groups to sanction is the best way forward.

Sarotsarotra ny toerana misy ny governemanta Indoneziana satria mivezivezy eo anelanelan'ny filàna filaminana sy fiarovana izy etsy andaniny, ary ny andraikiny demokratika amin'ny fiarovana ny fahalalahana ara-politika ho an'ny Indoneziana rehetra etsy ankilany.

Miantso ny firotsahana an-tsehatra lehibe avy amin'ny governemanta ny fitomboan'ny tsy fandeferana mba hanakana ny fihanak'ireo vondrona mahery fihetsika. Na izany aza, ny fanontaniana dia hoe ny fanitaram-pahefana izay manome fahefana mangina ho an'ny fitondrana indoneziana mba hamaritra izay vondrona hosaziana ve no no fomba tsara indrindra handrosoana.

Ho azy kosa, nanizingizina ny governemanta fa mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny lalàna. Nankasitraka ny antson'ireo antoko sasany mba handinika ny ampahany amin'ny lalàna i Jokowi  Tamin'ireo mpikambana 445 ao amin'ny Antenimieram-pirenena, mpikambana 314 be izao no nifidy handany ny lalàna. Enina tamin'ireo antoko politika 10 kosa no nankasitraka ny fepetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.