- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fianjerana Fiaramanidina: Fahatezerana & Alahelo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisy fiaramanidina mpitatitra miaramila nianjera tao amin'ny distrikan'i Tehrant [1] tamin'ny 6 desambra, nahafaty olona maherin'ny 100, anisan'izany ireo mpanao gazety sy mpitati-baovao maromaro izay tao anatin'ny fiaramanidina.

Niezaka nanome tsiny ny mpanamory [2] sy ny fahirano Amerikana ho nahatonga izany loza izany ny governemanta Iraniana saingy niaka-peo ireo bilaogera, mpanao gazety sy tranonkala Islamista vitsivitsy mpomba ny repoblika, tahaka ny Baztab [3] (hiresaka momba izany etsy ambany aho) eny fa na hatramin'ny solombavambahoaka sasany tao amin'ny parlemanta [4] aza mba hanohitra ny tsy firaharahiana sy ny tsy fandraisana andraikitry ny governemanta. Nanangana bilaogy vaovao ny rahalahin'ny iray tamin'ireo niharam-boina mba hanarahana ny vaovao rehetra momba ity loza ity sy hahitana ny fizotry ny fanadihadiana. Nahafantatra ity bilaogy Tenda feno ratra [5] ity tamin'ny alalan'ny bilaogy Persiana new reporter [6] aho. Milaza ilay bilaogera fa mbola tsy niala tsiny ireo tompon'andraikitry ny miaramila hatramin'izao. Tao amin'ny lahatsorany, nosoloiny tomany/tabataba ny teny fanehoan-kevitra. Andeha hojerentsika hoe nahoana no tezitra mafy amin'ny governemanta Iraniana ny olona:

Ny sazy mihatra amin'i Iran ve no anton'ny fianjeran'ny fiaramanidina farany tao Tehran tamin'ny Talata? Hoy i  [7]Omid Memarian [7], mpanao gazety & Bilaogera manontany. Mamaly izy:

Some of the Iranians bloggers have mentioned that US is responsible for the plane crash in Tehran and some of the others believe that’s the Tehran officials who don’t care about the health of the people in different ways…..I think both are true. There is no doubt about that Iranian government does not care about the health of the citizen. Tehran has been for two days off because of the air pollution. Is it the American sanction effects? Many people die during the year time because of the air pollution. Iran has the most died number of the road accidents in the world as the statistics indicate. Are Americans involved in that?….So, mismanagement and bad governance which is all over the country affected the people widely“.

“Nanamarika ny sasany tamin'ireo bilaogera Iraniana fa i Etazonia no tompon'antoka tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tao Tehran ary ny sasany kosa mihevitra fa ny manampahefana ao Teheran izay tsy miraharaha ny fahasalamam-bahoaka amin'ny fomba samihafa no tompon'antoka… .. mihevitra aho fa samy marina ireo. Tsy misy fisalasalana fa tsy miraharaha ny fahasalaman'ny olom-pirenena ny governemanta Iraniana. Tsy niasa i Teheran nandritra ny roa andro noho ny fahalotoan'ny rivotra. Fiantraikan'ny sazy Amerikana ve izany?: Maro ny olona maty mandritra ny taona noho ny fahalotoan'ny rivotra. Iran no manana taham-pahafatesana ambony indrindra manerantany amin'ny lozam-pifamoivoizana, araka ny asehoan'ny antontanisa. Voarohirohy amin'izany ve ny Amerikana?…. Raha ny marina, ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fitantanana ratsy izay manerana ny firenena no misy fiantraikany amin'ny vahoaka manontolo”.

Nahoana no tena zava-dehibe ity fitsidihana tany Chahbahar [8] ity ka nirahana handefa ireo mpanao gazety ireo ho any amin'io toerana io ny mpanamory faharoa? Hoy i Zeytoun. Araka ny filazan'ity bilaogera ity, nalefa izy ireo (mpanao gazety) mba haka horonan-tsarimihetsika ny fihetsiketsehana miaramila ataon'ireo mpanara-dian'ny mpitarika ka azo sokajiana ho fanevatevana ny Mpitarika ny fahatongavana tara [9]. Nilaza izy hoe nahoana no tsy maintsy nalefa tany amin'io toerana io izy ireo na inona na inona hitranga.

Nahoana no mangina ireo mpitondra fivavahana hoy i [10] pejvake khamoush, [10] mpitondra fivavahana reformista & bilaogera monina ao Qom [11]. Simba ny fiaramanidinay ary samy tompon'andraikitra ny mpanamory sy ny mpandeha. Nilaza ny antony tsy niresahan'ny mpitondra fivavahana momba izany mba hanatsaharana ity karazana voina ity izy.

Shahram Kholdi [12], bilaogera monina any amin'ny Fanjakana Mitambatra nilaza hoe:

There are rumours that when the IRIAF Hercules C-130 attempted emergency landing, the landing was delayed by the Mehrabad [13] control tower because a “high ranking official's” plane was about to take off at the same time“.

Kossof [14], journalist blogger, writes:

“Misy ny tsaho milaza fa rehefa niezaka ny hiantsona noho ny hamehana ny IRIAF Hercules C-130, dia nahemotry ny tilikambo fifehezan'i Mehrabad [13] ny fiantsonana noho ny ” fiaramanidin'ny ” manampahefana ambony hiantsona tamin'izany fotoana izany ihany koa”.

Kossof [14],  bilaogera mpanao gazety nanoratra hoe:

Thousands of mourners flooded central Tehran on Thursday for a funeral ceremony for at least 108 people killed in Tuesday's plane crash that the families of victims have blamed on poor safety procedures“.

“Mpisaona an'arivony no nameno ny afovoan'i Teheran tamin'ny Alakamisy nandritra ny lanonana fandevenana an'ireo olona 108 farafahakeliny namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tamin'ny talata, izay nolazain'ireo fianakavian'ny niharam-pahavoazana fa noho ny fepetra ara-piarovana ratsy.”

Araka ny voalazan'ny Bazatb [3] (tranonkalam-baovao mpandala ny nentim-paharazana malaza ao Iran), maro ireo mpitantana sy manampahaizana matihanina momba ny indostrian'ny rivotra no nosoloina olom-baovao tsy za-draharaha. Manohy i Baztab fa ny fanovana eo amin'ny sehatry ny indostria dia mety hahatonga tsy fahampian'ny fiarovana sy ny loza mety hitranga amin'ny fiaramanidina.

Azontsika atao ny mamintina amin'ny filazan'ny mpamaham-bolongana Iraniana, Mr Behi, fa ny fianjeran'ny fiaramanidina fiaramanidina tao Teheran [15] dia:

The level of negligence of Iranian authority is so ridiculous that only Iranian would believe it”.

“Mahatsikaiky loatra ny tsy firaharahian'ny manampahefana Iraniana ka ny Iraniana ihany no hino izany”.