Tantara tamin'ny 08 Novambra 2017
Tahaka Ny Ahoana No Fanoratana Ny Anaranao Araka Ny Abidia Latina Vaovao Ao Kazakhstan?
Aza gaga raha toa ka feno faingomihantona izany.
Manamora Ny Fanafoanana Ireo Vondrona Mahery Fihetsika Ny Lalàna Indoneziana, Saingy Mety Hanohintohina Ny Fahalalahana Sivily
Misy fomba maro ho an'ny governemanta Indoneziana mba hiadiana amin'ny mahery fihetsika sy hiarovana ny firaisana ara-tsosialy. Tsy ny fanesorana ny fiarovana ara-pitsarana lehibe rehetra momba ny fahalalahana ara-pikambanana no fomba hanaovana izany.
Tonizia: Mitohy Ny Sit-In Manohitra ny Governemanta Vonjimaika
Taorian'ny revolisiona vao haingana tao Tonizia, mbola marefo sy atahorana ny toe-draharaha ara-politika ao amin'ny firenena, satria miditra amin'ny andro fahaefatra manaraka ny sit-in ataon'ireo mpanao hetsi-panoherana ao amin'ny kianjan'i Kasbah eo akaikin'ny tranoben'ny governemanta ao an-drenivohitra Tunis.
Repoblika Tseky: Hafatra Ho An'i Condoleezza Rice
Nahitana ny taratasy iombonana iray ho an'ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Condoleezza Rice teo amin'ny rindrina iray tao Brno, ilay tanàndehibe Tseky faharoa ....
Bilaogy Afghanistana: Mpanao Tononkalo Namoy ny Ainy, Herisetra & Fanafahana
Mpanao tononkalo novonoin'ny vadiny, herisetra & fanafahana ny Olom-pirenena Kabul no resahan'ireo bilaogy.
(Tamin'ny) Fampitsaharan'Asan'ny Filohan'i Filipina
Olom-pirenena 200 mahery no nametraka fitoriana hanongana ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Bantay Impeachment 2 manome fanavaozam-baovao momba izany. Azo vakiana eto ihany koa ny lahatsoratra feno momba ny fitarainana.
Filipina: Manome Voninahitra Ho An'ireo Maty Any Am-pasana
Mankalaza ny 1 Novambra ho andro hanajana ny olo-masina sy ny maty ny ankamaroan'ireo Filipiana Katolika . Satria maro amin'ireo Filipiana no mitsidika ireo hava-tiana efa maty any am-pasana, andro tsy fiasàna ao Filipina ny 1 Novambra.
Bilaogy Iraniana: Fikomiana Ao Amin'ny Oniversite, Ahmadinejad Any Amin'ny Firenena Mikambana
Nifidy mpitondra fivavahana sy profesoran'ny Oniversite, Ayatollah Amid Zanjani, ho Mpitantana ny Oniversite Tehran ny governemanta. Maro ireo fanontaniana sy ahiahy momba ny fampianarany sy ny tontolony ara-politika mpandala ny nentim-paharazana.
Filipina: Mihazakazaka Manova Lalàmpanorenana Ireo Mpanao Politika
Hatramin'ny volana Jolay lasa teo, nankasitraka ny tolo-kevitra hanitsiana ny Lalàm-panorenana taona 1987 ny filohan'i Filipina, Gloria Macapagal-Arroyo. Nampisara-kevitra ny firenena ny fanovàna sata na ny Cha-Cha.
Fianjerana Fiaramanidina: Fahatezerana & Alahelo
(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy fiaramanidina mpitatitra miaramila nianjera tao amin'ny distrikan'i Tehrant tamin'ny 6 desambra, nahafaty olona maherin'ny 100, anisan'izany ireo mpanao...