- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jereo Ny Tantara Fohy Iray Momba Ireo Horonantsary Mampiravahontsana Ao Japàna

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina
onibaba [1]

Sary avy amin'ny Onibaba [2], horonatsary iray mampihoronkoditra tamin'ny 1964. Pikantsary nalaina tamin'ny  Youtube [1] .

(Fanamarihana: Raha tsy misy filazana mifanohitra, mitondra mankaminà lahatsoratra miteny anglisy ireo rohy ato )

Raha liana amin'ireo horonantsary Japoney mampihoronkoditra ianao, natao ho anao ny lahatsary fohy maharitra 15 minitra miendrika fanadihadiana ao amin'ny fantsona YouTube One Hundred Years of Cinema [3] (Zato taonan'ny Sarimihetsika).

Anaovan'ny “Tantara Fohy Iray Momba Ny Horohoro Japoney [4]” topimaso ny toeran'ny horohoro ao anatin'ny kolontsaina Japoney, miainga avy amin'ny fàkan'ny miralenta any anatin'ireo tantara malaza sy ireo seho an-tsehatra Kabuki nitety vanimpotoana.

Maharakotra ireo sarimihetsika Japoney maro mampivarahontsana ilay lahatsary, isan'ireny ny “Kaidan” [5] sy “Onibaba” [6], miainga avy amin'ny taona volamenan'ny sarimihetsika tao Japàna [7] tany amin'ny andian-taona 1950s sy 1960s ka hatramin'ireo sarimihetsika manamarika kokoa ny vanimpotoana taty aoriana, toy ny “Tetsuo: the Iron Man” [8] sy “Ringu” [9].

Ireo fanadihadiana fohy hafa ao amin'ny Youtube dia ahitàna ihany koa ny “Ny Nanovàn'ny Tanandehibe Ny Fomba Fijerintsika ny Hoavy” [10], “Ny Namoronana ny Sarimihetsika (1888 hatramin'ny 1914)” [11] sy ny “Milaza Inona Amintsika Momba ny Tahotra ireo sarimihetsika misy tànana baikon'ny Demony ?” [12]

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa ianao, toerana iray tsara koa hanombohana azy ny  “Ka Te-Hamaky Tantara Japoney Mampivarahontsana ianao izany: Eto Anombohana Azy” [13] notontosain'i Feliza Casano ho an'ny Unbound Worlds [14], tranonkala iray mifantoka amin'ny literatiora fitantarana ny tantara foronina sy nofinofy.