- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?

Sokajy: Maraoka, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 6 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza  La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa. Tsy nampiasa fotsiny ny endri-tanànan'i Maraoka ny sarimihetsika hafa toa ny Babel  fa ny kolontsainy sy ny mponina ao aminy ihany koa. Ary farany, namokatra fahombiazana iraisam-pirenena tao anatin'ny taona vitsivitsy ny orinasan'ny sarimihetsika izay miroborobo tokoa ao Maraoka : Ali Zaoua, prince de la rue [1] an'i Nabil Ayouch dia nisongadina tany ivelany ary nahazo fampitahana tamin'ny sarimihetsika Breziliana La Cité de Dieu, raha ny MaRock [2] kosa dia niavaka satria ilay vehivavy Laïla Marrakchi no nanatontosa ity sarimihetsika ity .

Miresaka momba ity lohahevitra ity ireo bilaogy, indrindra fa ny an'ilay mpila ravinahitra (any Eoropa ) Marrakech Xanthe Pat [3]  izay nampatsiahy ny tantaran'ny sarimihetsika tao Maraoka:

Après quelques recherches, j'ai été surpris de découvrir qu'un film a été tourné au Maroc dès 1897 (Le Chevrier marocain de Louis Lumière), même s'il faut attendre presque 20 ans pour en trouver un deuxième. Mais ensuite, les tournages se suivent régulièrement, pratiquement annuellement, par des réalisateurs français, espagnols, allemands venant au Maroc pour tourner tous types de films aux noms exotiques.

Gaga aho nahita taorian'ny fikarohana maromaro fa efa nisy ny sarimihetsika notontosaina tany Maraoka tamin'ny taona 1897 (Le Chevrier marocain an'i Louis Lumière), na dia efa ho 20 taona taty aoriana aza vao nisy ny faharoa. Kanefa  nanaraka tsy tapaka ny famokarana ireo sarimihetsika avy eo izay saika isan-taona mihitsy, nataon'ny mpanatontosa Frantsay, Espaniola, Alemà izay tonga tany Maraoka mba hamokatra karazana horonantsary amin'ny anarana hafakely.

Nofintininy tamin'ny fanolorana anarana vaovao ho an'ny orinasan'ny sarimihetsika Maraokana ny lahatsorany:

Mais pourquoi le Maroc ? Est-ce à cause de paysages variés, parce que le Maroc a des montagnes, du désert, des côtes splendides, un incroyable patrimoine architectural, ou bien est-ce la lumière magnifique et le climat ensoleillé qui attirent cinéastes et artistes dans ce pays ? Le Maroc n'est-il pas en train de devenir le nouvel Hollywood, et ne peut-on pas commencer à l'appeller “MollyWood” ?

Fa nahoana no i Maraoka? Moa ve noho ireo endriky ny tanàna samihafa, satria manana tendrombohitra maro, tany efitra, morontsiraka tsara tarehy, vakoka mahatalanjona i Maraoka, sa noho ny hazavana tsara tarehy  sy ny toetany mibaliaka masoandro no manintona ireo mpamokatra sarimihetsika sy mpanakanto eto amin'ity firenena ity? Tsy lasa Hollywood vaovao ve i Maraoka , ary tsy efa afaka manomboka miantso azy hoe “MollyWood” ve isika?

Ahitana ilay bilaogera mahay manokana ny sehatry ny sarimihetsika, Allal El Alaoui [4] mihitsy ny tontolon'ny bilaogy Maraokana, izay namoaka ny bilaogy cinema and movies. Tao amin'ny lahatsoratra vao haingana, nanoritsoritra ny Fetibe Iraisam-pirenena ho an'ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina tao Meknes [5] izy:

Bien que le festival de Meknès 2008, voulu par le Wali (préfet) de Meknès Tafilalet Hassan Aourid, soit privé de l'appui technique d'un directeur artistique ou de coordinateurs techniques, il se passe des choses incroyablement belles et symboliques lors de cet évènement culturel, en particulier des artistes qui expose leur talent dans le cadre de la prison de Kara (appelée aussi Qobat Assoufara), ce qui est quelque chose de très représentatif de l'ouverture que le Maroc est en train de connaître, déclare Leïla El Baaj, la présidente de l'association.

Na dia tsy nahazo fanohanana ara-teknika avy amin'ny tale ara-javakanto na avy tamin'ny mpandrindra ara-teknika aza ny fetibe tao Meknes 2008 notadiavin'ny Wali (prefe) ao Meknes Tafilalet Hassan Aourid  dia nisy ny zavatra tsara tarehy tsy nampino sy niavaka nandritra ity hetsika ara-kolontsaina ity, indrindra fa ireo mpanakanto izay nampiseho ny talentany tao amin'ny fonjan'i Kara (antsoina ihany koa hoe Qobat Assoufara), izay tena mahalosotena amin'ny fisokafana izay miha-fantatr'i Maraoka, hoy i Leïla El Baaj, filohan'ny fikambanana.

Miroso hatrany ny indostrian'ny sarimihetsika Maraokana. Nitatitra ny bilaogy The View From Fez [6] fa nanomboka ny 22 jolay 2008  ny nanatontosana ny Prince of Persia tao Oukaïmeden izay toerana lehibe indrindra fanaovana ‘ski’ ao Maraoka (na eto Afrika mihitsy aza angamba) :

L'acteur islandais Gísli Örn Gardarsson se trouve actuellement au Maroc pour tourner une des principales parties du nouveau film de Jerry Bruckheimer, Prince of Persia : The Sands of Time. Le tournage vient de commencer. Le scénario du film est basé sur le jeu vidéo du même nom, dont le personnage est un prince hardi, associé à une princesse rivale pour empêcher un roi coléreux de détruire le monde par une tempête de sable. On espère que l'acteur rendra visite à Fès pendant les relâches.

Any Maraoka amin'izao fotoana izao ilay mpiantsehatra Islandey Gísli Örn Gardarsson mba hilalao ny ampahany lehibe amin'ny sarimihetsika vaovao novokarin'i Jerry Bruckheimer, Prince of Persia: The Sands of Time. Vao manomboka ny famokarana izany sarimihetsika izany. Mifototra amin'ny lalao video mitovy anarana aminy ilay horonantsary, ary ahitana ilay printsy be herimpo sy ny printsesy mpifaninana aminy manakana ilay mpanjaka mora tezitra amin'ny fandringanana an'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny tadiom-pasika. Antenaina fa hitsidika an'i Fès ilay mpilalao mandritra ny fiatoana amin'ny filalaovana ny sarimihetsika .

Rehefa mijery sarimihetsika ianao amin'ny fotoana manaraka dia ankafizo amin'ny fandravahana ny tantara i Maraoka!