- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sahanina Any Ivelany Ny Ady Ao Iraka sy Afghanistan

Sokajy: Filipina, Iràka, Mediam-bahoaka, Sendikà

(Fanamarihana: lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Jolay 2006)

Filipina no safidy ambony indrindra ho an'ireo orinasa ao Etazonia manao ny dingam-pihariana maka mpiasa ivelany na BPO.

Ny asa amin'ny call center no asa irian'reo tanora marobe nahazo diplaoma ao Filipiana satria tsara karama. Nahazo 1,12 miliara dolara tamin'ny fidiram-bola ny indostrian'ny BPO ao Filipina [1] ary nampiasa olona maherin'ny 112.000 tamin'ny taona lasa.

Noho ny  karama ambany kokoa ao amin'ny firenena, namorona seha-pihariana any ivelany toy ny fikarakaràna mpanjifa, fandefasana toro-lalana ara-pitsaboana, fampandrosoana rindrambaiko sy fanentanana ireo orinasa any Etazonia.

Ankehitriny, misy asa iray “sahanina any ivelany” (outsourced) any Filipina (vakio: mpikarama an'ady)  ao Iraka sy Afghanistan.

Nitatitra [2] ny gazety iray ao Manila fa Filipiana 300 mahery no ampiasain'ny orinasa tsy miankina iray mba hiambina ny Departemantam-panjakana Amerikana sy ny miaramila, ny fotodrafitrasa sy ny toby ifotony ao Iraka.

Triple Canopy, Dynacorp ary Blackwater no iantsoina ireo orinasa nanakarama Filipiana mpikarama an'ady.

Nanambara [3] ny mpanao gazety Filipiana iray fa nahazo trano 25 metatra tao amin'ny tobin'ny tafika amerikanina teo aloha tany Filipina ny Blackwater mba hitarika fiofanana ara-tafika fiavotan-tena.

Afaka nitafatafa tamina Filipiana mpikarama an'ady iray momba ny zava-tsarotra sy ny tombontsoa amin'ny maha mpiasa mitam-piadiana ao Iraka miambina ireo fotodrafitrasa miaramila Amerikana ilay mpanao gazety Filipiana sady bilaogera Ellen Tordesillas [4].

Tsy maintsy mandeha any Dubai, Jordania na Koety ireo mpikarama an'ady Filipiana noho ny fandraràn'i Filipina ny fandefasana mpiasa any Iraka taorian'ny fakàna an-keriny mpiasa Filipiana iray nataon'ireo mpikomy Irakiana tao amin'ny tobin'ny miaramila Amerikana tamin'ny taona 2004 .

Nampitandrina momba ny faharatsian'ny fiarovana amin'ny fandefasana mpikarama an'ady Filipiana miady ho an'ny tafika Amerikana ny Senatera Aquilino Pimentel [5]. Hoy izy:

 

“The additional problem is that these mercenaries might make the country and our embassies and trade missions vulnerable to counter-attack by those being attacked by the mercenaries in Iraq.”

“Ny olana fanampiny dia ireo mpikarama an'ady ireo izay mety hahatonga ny firenena sy ny masoivohontsika ary ny asa ara-barotra ho sahirana amin'ny fanoherana fanafihana ataon'ireo izay voatafik'ireo mpikarama an'ady any Iraka .”

Filipiana maro no maniry hiasa any Iraka rotiky ny ady satria mandray 1700 dolara isam-bolana izy ireo fara-fahakeliny. Ny karama farany ambany ao Filipina dia 116 dolara monja isam-bolana.