Bilaogy Iraniana: WSIS & Zon'Olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Shirin Ebadi, nahazo tamin'ny loka Nobel, no iray tamin'ireo mpandray fitenenana tamin'ny Fihaonambe Manerantany ho an'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fiarahamonina tao Tonizia.

Araka ny voalazan'i Ravi (Rohy amin'ny teny Persiana), niresaka momba ny sivana, bilaogera voafonja sy ny fanivanana i Atoa Ebadi. Nilaza izy fa  nirahana tany amin'ny fihaonam-be ireo fikambanana tsy miankina an'ny fanjakana mba hampahafantatra tatitra diso. Nilaza koa izy fa indrisy, mety hahita mpikatroka zon'olombelona, ​​mpanoratra sy mpandika teny voafonja noho ny fanehoan-kevitra ianao any amin'ny firenena sasany.

Ny lohatenim-baovaon'i Omid Memarian dia Fikambanam-Pampahalalam-baovao & fahabangana eo amin'ny toeran'ny filoham-pirenena Iraniana. Malahelo i Omidian fa tsy afaka nandeha tany amin'ny fihaonambe WSIS izy saingy nilaza kosa izy fa soa ihany, tonga tany ny sasany tamin'ireo manam-pahaizana momba ny fifandraisana tahaka an'i Dr. Shokrkhah.

Hoder (Derakhshan), bilaogera monina ao Toronto, kosa nandray anjara tamin'ny lohahevitra Fanehoan-kevitra eo ambanin'ny Famoretana momba ny demaokrasia sy sivana tao amin'ny WSIS. Niresaka momba ny olan'ny bilaogera Iraniana, ny sivana sy ny sisa izy. Nilaza izy fa raha tsy niditra an-tsehatra mivantana ireo masoivoho Britanika sy Holandey, dia mety nofoanan'ny mpitandro ny filaminana Toniziana ny fihaonana.

Nanjary olan'ny Parlemanta vaovao Iraniana ny zon'olombelona saingy tsy amin'ny fomba izay eritreretinao. Abtahi, filoha lefitra teo aloha, nanoratra Teboka Parlemantera Roa:

I read in the news that the Islamic Consultative Assembly has established a committee for human rights. But this committee is supposed to prepare reports of the violation of human rights in Europe. …..There is something wrong with our minds since Farsi proverbs occur repeatedly like: “You know how to sing the lullaby, why you are still awake?” Or “The light that can be used in the house is forbidden for use in the mosque”.

Namaky vaovao aho fa nanangana komitin'ny zon'olombelona ny Antenimiera Mpanolo-kevitra Islamika. Saingy heverina fa tokony hanomana tatitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Eoropa ity komity ity. ….. Misy zavatra tsy mety ao an-tsaintsika satria miverimberina ny ohabolana Farsi, tahaka ny hoe: “Fantatrao ny fomba fihiràna hira fampatorianjaza, nahoana ianao no mbola mifoha?” Na “Ny jiro azo ampiasaina ao an-trano dia voaràra tsy ampiasaina any amin'ny moske”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.