- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Fetiben'ny Hazavana’ Tao Taunggyi Ao Myanmar, Ankalazaina Amin'ny Fandefasana Balaonina Misy labozia Mirehitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fivavahana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

[1]

Tafiditra amin'ny fankalazan'ireo Bodista ny Tazaungdaing, ny fandefasana balaonina misy labozia, na ny “Fetiben'ny Hazavana.” Sary : Zaw Zaw/ The Irrawaddy

Ity lahatsoratr'i [1] Zaw Zaw avyao amin'ny The Irrawaddy ity, tranonkalam-baovao iray tsy miankina ao Myanmar, ary averina avoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

An'arivony maro ireo olona nivangongo tao amin'ny renivohi-panjakan'i Shan tamin'ity herinandro ity mba hankalaza ny fetiben'ny balaonina fanao manodidina ny andron'ny diavolana Tazaungmone, volana fahavalo amin'ny tetiandro ao Myanmar.

Manomboka ny 26 Oktobra hatramin'ny 4 Novambra ny fetiben'ny balaonina amin'ity taona ity ary tafiditra amin'ny fankalazan'ireo Bodista ny Tazaungdaing, na ny “Fetiben'ny Hazavana.” Herinandro mamarana ny Kahtein, izay fanomezana akanjo rebareba ho an'ireo moanina Bodista.

Isantaona, feno tarika avy ao an-tanàna mifaninana mandefa balaonina abontsina amin'ny rivotra mafàna, namboarin'izy ireo tamin'ny taratasy sy volontsangana, io no mamarana ny andro farany manaraka ny diavolana izay amin'ity taona ity dia latsaka ho ny Zoma 4 Nov.

Na ny Britanika aza no voalaza fa nampiditra ilay fifaninanana  mandefa balonina ho lasa fety fanao isantaona, fony mbola vanimpotoana fanjanahantany, dia noraisina ho toy ny fanaovana fanatitra hazavana ho an'ireo fanahy Bodista ihany koa ilay fomba fanao.

Mandritra ilay andro, alefa ireo balaonina ary misy kianja ho an'ny foara eo amin'ny toerana natao hanaovana ilay fetibe—kianja iray any ivelan'ny tanàna an-tampon-tendrombohitr'iTaunggyi.

Iray amin'ireo fetibe ara-kolontsaina malaza indrindra sy manandanja ao Myanmar ilay fetibe. Mbola malaza lavitra noho izay fahitàna azy, iray ihany koa amin'ireo fetibe mampididoza indrindra izay indraindray  misy olona maratra [2]—na maty mihitsy — anaty loza nateraky ny fandefasana ireo balaonina.

Jereo eto ambany ny sary misimisy kokoa avy amin'ilay fetibe :

[1]

Iray amin'ny fankalazan'ireo Bodista ny Tazaungdaing, na ny “Fetiben'ny Hazavana” ny fetiben'ny balaonina.” Sary : Zaw Zaw/ The Irrawaddy