- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: “Ny Diaben'ny Mpanohitra”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 16 Desambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Marsh Nesoglasnykh ( “Ny Diaben'ny Mpanohitra” na “Ny Diaben'ireo Izay Tsy Manaiky”) – pikantsary avy amin'ny vohikalan'ny famoriam-bahoaka, www.namarsh.ru [1]

Araka ny tati-baovao [2], olona maherin'ny 2.000 no niseho tao amin'ny hetsi-panoherana “tsy fahita firy” manohitra ny governemanta tao Moskoa androany.

Namoaka tatitra an-tsary [3] (RUS) avy amin'ny Marsh Nesoglasnykh (“Ny Diaben'ny Mpanohitra” na “Diaben'ireo Izay Tsy Manaiky”) ilay mpisera LJ rifleman_sa:

[…] By my estimates, there were 2,000-2,500 people. I started counting cops’ cars and buses, reached 60 and gave up – there were many more of them. I have mixed feelings about the rally – but the conclusion that's obvious is that the regime is definitely [scared]. [Scared] of any political activity, regardless of which flank it is coming from.

2007-2008 promise to be interesting.

[…]  Nisy 2.000-2.500 eo ho eo ny olona araka ny tombatombako. Nanomboka nanisa ireo fiaran'ny polisy sy ny fiara fitateram-bahoaka aho, mbola nisy maro hafa fa nijanona aho rehefa nahatratra 60 izany. Nanana fihetseham-po nifangaroharo aho momba ny famoriam-bahoaka – saingy ny fehin-kevitra miharihary dia ny hoe tena [matahotra] ny fitondrana. [Matahotra] ny hetsika ara-politika rehetra, na avy amin'ny lafiny inona na lafiny inona izany.

Mahaliana ny ho ateraky ny taona 2007-2008.

Ireto ambany ireto ny eritreritry ny bilaogera hafa [4] momba ilay famoriam-bahoaka (mpisera LJ sapojnik , RUS):

“The Misanthropes’ March”

A strange action has taken place, really. What does “those who disagree” mean? Disagree with what? Quite a lot of people gathered – if you, of course, measure by today's frail standards, not by the million-strong demonstrations of the late 1980s. But now, 2,500 people is a lot. It means that at least 2,000 people came on their own, without having been paid in any way. With money, it's possible to gather 300-400 people at most, and all the Kremlin media tales, according to which, for example, [the Maidan in Ukraine [5]] had been “bought,” are absolute nonsense.

But – all the worse. Slogans have to be coherent and specific: these are the basics of public politics. So here's the question: why didn't they find anything coherent? “They are sawing Russia.” Who are these “they”?? Why didn't they reveal their last names? It ended up being “the march against bad weather” [it was sunny in Moscow today] […]. […]

Such rallies are actually turning NORMAL people away from public protest, and, on the other hand, they envigorate the “jerks.” If this is a protest “in general” – then why not blow up bombs? Wouldn't that, too, be “protest”?

 

“Ny Diaben'ny Mpankahala Olombelona”

Nisy hetsika hafahafa nitranga, tena marina. Inona no dikan'ny hoe “ireo izay tsy mitovy hevitra”? Tsy mitovy hevitra amin'ny inona? Olona maro no nivory – raha ianao, mazava ho azy, ka mandrindra ny fenitra saropady ankehitriny fa tsy amin'ny fihetsiketsehana aman'hetsiny mahery vaika tany amin'ny faran'ny taompolo 1980. Saingy ankehitriny, tena maro ny olona miisa 2500 . Midika izany fa olona miisa 2 000 fara fahakeliny no tonga tsy noterena, nefa tsy nozaraina vola. Mety hahangona olona miisa 300 na 400 eo ho eo fara fahabetsany raha nisy vola, ary tsy misy dikany mihitsy ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao rehetra ao Kremlin hoe “voavidy”, ohatra [ ny Maidan ao Okraina [5] ] .

Saingy – ny tena ratsy indrindra. Tsy maintsy atao mifanaraka sy manokana ireo teny filamatra : ireo no fototry ny politikan'ny daholobe. Koa ity ny fanontaniana hoe: maninona no tsy nahita zavatra mirindra ry zareo? “Mandrasarasa an'i Rosia ry zareo.” Iza ireo “ry zareo” ireo?? Nahoana ry zareo no tsy manambara ny tena anarany?  “Diabe manohitra ny toetr'andro ratsy” no niafaran'izany [Nibaliaka ny masoandro tao Moskoa androany] […]. […]

Manodinkodina ny vahoaka TSOTRA ho lavitry ny fihetsiketseham-bahoaka ny famoriam-bahoaka toy izao, ary mamelona ny “fandaniam-potoana” etsy ankilany izany. Nahoana no tsy mandatsaka baomba raha toa ka hetsi-panoherana “amin'ny ankapobeny” izany ? Moa tsy “hetsi-panoherana” ihany koa ve izany?