- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanaisotra Vetivety Ny Fanabeazana Ara-pananahana i Manila

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahasalamàna, Fanabeazana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Jolay 2006)

Nanapa-kevitra hanaisotra ny taranja fampianarana ara-pananahana ny manampahefana misahana ny fanabeazana ao Filipina rehefa nanohitra ny fampianarana ara-pananahana any an-tsekoly ny Fiangonana Katolika matanjaka.

Manana taham-pitomboan'ny mponina ambony indrindra i Filipina. Manasongadina ihany koa ny fikarohana nataon'ny oniversite fa lasa mavitrika amin'ny firaisana ara-nofo ny zatovo [1]. Firenena tokana maro an'isa Katolika any Azia ihany koa i Filipina.

Na dia eo aza ny fanoheran'ny ambaratongam-piangonana, te hanohy hizara ny taranja fampianarana ara-pananahana [2]eny amin'ny sekolim-panjakana amin'ity taona ity ny manampahefana misahana ny fanabeazana. Manaiky hanaisotra ny taranja mandritra ny fotoana fohy izy ireo mba hakana ny hevitry ny olona maromaro (tahaka ireo mpitondra fivavahana), momba ny fomba hampianarana ny lohahevitra saro-pady amin'ny mpianatra..

Mandritra izany, niaro ny fampianarana momba ny fahasalamana ara-pananahana [3] any an-tsekoly ny Senatera Pia Cayetano ary nilaza fa mampiroborobo ny “fahasoavana ankapobeny sy ny fahasalaman'ny vahoaka” izany.

Meanwhile, Senator Pia Cayetano defended the teaching of reproductive health [3]in schools saying this promotes the “general well-being and health of the people.”

Nanoritsoritra ny fanoheran'ny Fiangonana ny fanabeazana ara-pananahana ho “karazana fisainana vanim-potoana antenantenany izay mampiroborobo ny tsy fahalalana fa tsy ny fahazavana” i Buwahyahman. [4]

Nanoro izao manaraka izao tao amin'ny bilaoginy, Viewpoints [5] ny eveka Oscar Cruz:

“Sex education especially with its human dimension and moral consideration are better left to the parents of the students—the father and the mother themselves giving formational sex education to their boy and girl children respectively.”

“Tsara kokoa avela ho an'ny ray aman-drenin'ireo mpianatra ny fampianarana ara-pananahana indrindra indrindra amin'ny maha-olombelona sy ny fiheverana ara-maoraly—ny ray sy ny reniny mihitsy no manome fanabeazana ara-pananahana ho an'ny zanany lahy sy ny zanany vavy tsirairay.”

Lohahevitra iray ao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra [6] ao amin'ny tranonkala ofisialin'ny governemanta ny fampianarana ara-pananahana.