Vaovao Momba Ny Bilaogy Iraniana: Fanivanana, Boky Vaovao sy ny Ramadany

(Fanamarihana: lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Novambra taona 2005)

Nomen'ny governemanta ao Iran hosahanin'ny orinasa tsy miankina ny fanivanana! Orinasa iray, “Delta Global”, no nahazo alalana manokana avy amin'ny governemanta Iraniana mba hametraka sivana amin'ny tontolo virtoaly. Ny mahatsikaiky amin'ny zava-misy dia nampiasaina hanakatonana ireo bilaogy sy tranonkala Iraniana ny rindrambaiko Amerikana! Milaza ireo orinasa Amerikana fa mampiasa ny rindrambaikon'izy ireo tsy mahazo alalana sady tsy mandoa vola i Iran. Mihevitra angamba ny governemanta Iraniana fa rindrambaiko mitovy karazana amin'ny Linux ny rindrambaiko sivana!!

Nilaza ilay bilaogera Said Hatami, izay nanome torolàlana sy adiresy tao amin'ny bilaoginy mikasika ny fomba hialàna amin'ny fanivanana blogrolling fa voasivana ihany koa ny adiresiny vaovao. Tao amin'ny Global Voices, nisy ny lahatsoratra nosoratan'i Rebecca MacKinnon, miresaka momba ny orinasa Amerikanina sy ny fanivanana any Iran.

Nameno ny trano fivarotam-boky ny boky vaovao momba ny bilaogy Iraniana: “We are Iran: Persian Blogs” (Iran izahay: Bilaogy Persiana) nosoratan'i Nasrin Alavi. Namariparitra momba ilay boky i Hoder, bilaogera  monina ao Toronto :

“Now we could show the world that Ahmadinejad is not representing Iran. We are what the new Iran is these days”.

“Ankehitriny, afaka mampiseho amin'izao tontolo izao isika fa tsy misolontena an'i Iran i Ahmadinejad . Isika no Iran vaovao amin'izao andro izao”.

Reza izay namela fanehoan-kevitra momba ny hevitr'i Hoder nilaza hoe:

“We are not Iran . Iran is full of those who support Ahmadinejad and voted for him”

“Tsy Iran isika. Feno ireo manohana an'i Ahmadinejad sy nifidy azy i Iran”

Nipoitra tao amin'ny tranonkalan'ny BBC Persiana ny hevitra voalohany momba ny boky:

“There is no introduction in book and we can not understand her method…Writer gives a black & white image of Iranian blogs (blogestan) and failed to represents pluralistic image of Iranian blogs (Blogestan)”.

“Tsy misy teny fampidirana ao anatin'ilay boky ary tsy mazava aminay ny fomba fiasany … Mampiseho sary fotsy sy mainty momba ny bilaogy Iraniana (blogestan) ny mpanoratra ary tsy nahavita nampiseho ny sary marolokon'ny bilaogy Iraniana (Blogestan)”.

Alavi nanoratra tao amin'ny Financial Times:*

“It is still not clear if Iranian blogs are merely a place for the beleaguered to let off steam or a modern-day Gutenberg press that will usher in an age of democracy. Perhaps the greatest legacy of the republic is its children, whose voices can be heard clearly in the Iranian blogosphere”.

“Mbola tsy mazava raha toerana fotsiny ho an'ny natao fahirano mba hiala voly na gazety Gutenberg amin'ny andro maoderina izay hanamarika ny vanim-potoanan'ny demaokrasia ny bilaogy Iraniana. Angamba ny lova lehibe indrindra ao amin'ny repoblika dia ny zanany, izay azo renesina mazava ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana ny feon'izy ireo”.

Nifarana tanaty fisavoritahana tao Iran ny Ramadan. Misisika amin'ny fijerena mivantana ny volana eo an-toerana ny ankamoaran'ny Miozolomana mba hanamarihana ny fiandohana sy ny fiafaran'ny Ramadany. Nanambara ny fiafaran'ny Ramadany tamin'ny andro iray tsy mitovy amin'ny hafa ny Ayatollah Lehibe. Nanao fikarohana tao amin'ny bilaoginy i Hojreh, mpitondra fivavahana Iraniana mba hampiseho ny fiavian'ity fisavoritahana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.