- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Trinite Sy Tobago, Tsy ‘Zavatra Kely’ Ny Firaisankinam-bahoaka Taorian'ny Tondradrano

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Voina
[1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary drone nalain'ny TOPSHOT, mampiseho ny Renirano Mosquito any amin'ny faritra atsimon'i Trinite. Ity lalambe fivezivezena ity dia tondraky ny rano noho ny orambe nivatravatra tsy nijanona ka nahatonga ny renirano Godineau ho tondraka, sy ny fiakaran'ny ranomasina avy any amin'ny sisintanin'ny Helodranon'i Paria ihany koa.

Iray amin'ireo tena nahery indrindra tamin'ny tantara ny vanim-potoanan'ny rivodoza Atlantika 2017 [2] – ary nahitana rotsakorana be dia be, izay nitarika tondradrano nanerana ny faritr'ireo nosy roa na dia tsy tao anatin'ny faritry ny rivodoza aza i Trinite sy Tobago.

Tamin'ny fetin'ny Divali [3], 18 Oktobra 2017, nanakana ny Haindò maro tsy handrehitra ny deyas (jiro) teny ivelany ny orana tsy an-kijanona saingy tena mbola olana kokoa ny tondradrano tany amin'ny faritra maro tao amin'ny firenena , satria tsy nahomby tamin'ny fifehezana ny toe-draharaha ny  manampahefana tompon'andraikitra.

Nitohy nandritra ny andro maro [4] ny orana. I Trinite faritra afovoany [5] sy atsimo [6] no tena voa mafy indrindra, niaraka tamin'ireo toerana sasany izay voalaza fa tao anatin'ny rano efa ho iray metatra sy sasany. Nisy ihany koa ny fahavoazana tany amin'ny morontsiraka avaratry [7] ny firenena, izay nahatonga ny olona tany an-toerana hitoka-monina.

Nanomboka nitantara ny zava-nitranga avy hatrany ireo mpiseran'ny media sosialy, namoaka ny lahatsary drone tao amin'ny YouTube [8] sy Facebook [9] . Ary nizara ny sarin'ny [10]fahavoazana ny hafa tamin'ny alalan'ny [11]vondrona [12]Facebook [13]maro [14].

Niezaka nankany amin'ny faritra iadidiany ihany anefa ireo Minisitra maromaro tao amin'ny governemanta; Tena nisongadina indrindra [15] tao amin'ny media sosialy ny Dr. Lovell Francis, mpikambana iray ao amin'ny parlemanta ho an'i Moruga / Tableland, any amin'ny faritra farany atsimon'ny firenena. Nirodana [16]ny arabe sasany tao amin'ny faritra nisy azy ; Nanamarika ity teny ity [17] tao amin'ny lahatsorany izy raha namoaka sary tao amin'ny faritra iray “Tsy misy ambara.”

Nampiasa ny herin'ny media sosialy ihany koa ilay mpanolo-tsaina Candice Allain mba hamoahana [18]lahatsary Facebook mivantana [19] izay nanome fanavaozam-baovao ho an'ny olona mikasika ny fifamoivoizana amin'ny làlambe sy ny ezaka fanampiana tany avaratry ny firenena izay nahitana fihotsahan'ny tany maromaro. Navitrika [20]tamin'ny fanampiana ireo mponina tany amin'ny faritra nisy tondradrano tamin'ny fanadiovana ny orinasam-paritra voakasika ny sampan'ny governemanta rehetra ao an-toerana, ary nitsidika [21]ireo mponina niharam-boina ny praiminisitra .

Raha ny marina, nifamory [22] ny ankamaroan'ny olona [23]. Na izany aza, tsy nahay nihetsika ary nahatezitra ireo vahoaka ilay Kôlônely (misotro ronono) Dave Williams, Lehibe Lefitry ny Sampan-draharaha Amin'ny Fiomanana sy Fitantanana ny Voina [24] (ODPM) , solontena tompon'andraikitra amin'ny fandrindrana ireo sampan-draharaha mpamonjy voina ilaina rehetra rehefa nanao tsinontsinona ny halehiben'ny zava-misy izy. Nisioka mivantana ny valan-dresaka an-gazety nataon'i Williams ny mpanao gazety iray:

Nisy tondradrano ny kaominina miisa 14 tsirairay. Nahitana tondradrano lehibe ny 11 tamin'izany. Aoka tsy hihevitra ny tondradrano ho zava-mitranga hafahafa isika. Mpitranga izany.

Mahita izany ho zava-dehibe ianareo. Mahita izany ho zavatra kely izahay

Manao ny tondradrano izahay ry vahoaka. Any amin'ny fanjakana ny tosika. Inona no ataontsika tsirairay? Moa ve manaraka ny tatitra momba ny toetrandro isika?

Nisy ny fitarainana avy hatrany tao amin'ny tambajotra sosialy. Mba hiarovana ny ODPM anefa dia nilaza i Williams fa avy amin'ny tsy fahatomombanan'ny fifandraisana [28] teo amin'ny sampan-draharaha mpamonjy voina no nahatonga ny fikambanana tara vao namaly ny antso sy noho ny tsy fahombiazan'ny fampiasaina ny fantsona fampitam-baovao mahazatra:

Izany no zavatra hitan'ny olona fa tsy teo.
Mila mamantatra ny fomba hifandraisana isika amin'ny alina. Mila mampiasa ny media sosialy amin'ny fomba tsaratsara kokoa isika

Niala [30] tamin'ny toerany i Williams  taorian'ny fimenomenoman'ny vahoaka. Na, araka ny nolazain'ilay [31]  mpanesoeso mahatsikaiky Mr.Live ao amin'ny Wired868 hoe, “nahatsiravina ny tondradrano tany afovoany sy atsimon'i Trinite raha mipetraka any ianao ka manana fangoraham-po . Na ‘zavatra madinidinika’ izany raha toa ianao ka ilay tale lefitry ny filankevi-pitantanana ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Fiomanana sy Fitantanana ny Voina ary te hahalala hoe ahoana izany voadaka baoty avy ao aoriana izany.”

[8]

Pikantsarin'ny lahatsary drone tao amin'ny YouTube mampiseho ny tondradrano tao amin'ny faritra Penal/Debe any afovoan'ny Trinite.

Na izany aza, zavatra maro no azo notsoahina tamin'ity loza voajanahary ity, anisan'izany ny adihevitra momba ny sehatra fandraisana anjara. Nanamafy  [32]ny ben'ny tanànan'i Chaguanas, iray amin'ireo tanàndehibe iva any Trinité afovoany fa vao mainka nanasarotra ny olana ireo rafitra tsy ara-dalàna naorina teo amoron'ny renirano lehibe. Niaina fahavoazana lehibe tamin'ny tranony sy ny toeram-piasany ny mponina tao amin'ny faritra hiadidiany ary simba ny vokatr'ireo tantsaha.

Nanampy [33]i Rhoda Bharath, mpisera Facebook :

Apparently we have forgotten about the impact that the Pt Fortin Highway had on the Oropuche Lagoon and the wetlands in South.
Coupled with poor urban planning, clogged waterways from littering and incessant heavy rains. […]

Toa hadinontsika ny fahavoazana teo amin'ny Làlambe Pt Fortin tamin'ny Riakasia Oropuche sy ny faritra mando any atsimo.
Niaraka tamin'ny drafitra tsy ara-dalàna an-tanandehibe, tsentsina ny riandrano noho ny fako sy ny orambe tsy nitsahatra. […]

Nametraka fanontaniana [34] ihany koa izy mikasika ny “fakon'ny fivarotana sy indostrialy” izay manentsina ireo renirano sasany any afovoan'i Trinite.

Nanakiana [35]ny tsy fisian'ny fanampiana avy amin'ny sehatry ny orinasa ny mpisera hafa .

Tsy adino ny fanesoana ny toe-draharaha ho an'izay mahatsiaro ny adihevitra masiaka antserasera [36] mikasika ny fandefasana fanampiana tany amin'ny faritra hafa taorian'ny rivodoza Irma [37] sy Maria  [38]:

 

Mbola avy indray ny orana. Mety hanokatra ny tranon'izy ireo amin'ny Trinis izay tratry ny tondradrano amin'izao fotoana izao ireo olom-pirenena ao Caricom