Iran: Horohorontany

(Fanamarihana: efa tamin'ny volana Novambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

(27 Novambra, tamin'ny roa ora sasany, Ora ao Bruxelles): Araka ny filazan'ny BBC,  maro ireo namoy ny ainy tany atsimon'i Iran: Horohorontany mahery vaika no namely ny faritra atsimon'i Iran, nanimba tanàna maro sy nahafaty olona dimy farafahakeliny ary nandratra am-polony maro, hoy ny manampahefana.
Namely ny nosy Qeshm, ahitana mponina 120.000, ary ny tanànan'i Bandar Abbas ny horohorontany mirefy 5.9, hoy ny fampahalalam-baovaom-panjakana.
Nilaza ny governoran'ny nosy Qeshm fa tanàna efatra eo akaiky no rava ary olona dimy farafahakeliny no namoy ny ainy.
Araka ny voalazan'ny Isna (Sampam-pampahalalam-baovaon'ny Mpianatra Iraniana):Tanàna roa no rava.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.