- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolon'ny Blaogy Ao Kenyà?

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

Mental Acrobat ao amin'ny hoe Nahoana no mitsimbadika ny politika ary nahoana i Afrika no mila mpianatra an'hetsiny amin'ny resaka politika. [1]

“Boda ny lohan” i Mama Junkyard (azafady omeo azy ny azy tamin'ny namoronany io fomba filaza “confuddled” io) mikasika ny mari-pamantarana azy amin'ny blaoginy mitaha amin'ny maha-tena izy azy [2]. Tena misy ve ireo fiavahana amin'ny mari-pamantarana azy ireo, olona roa samihafa ve izy ireo, mifankahazo tsara ve izy ireo? Tohizo ny famakiana mba hahafantarana azy.

Manome ny heviny mikasika ny “krizin'ny” mari-pamantarana i Mshairi.

Tsy manan-kevitra [3]  amin'izay lazain'i Maitha i Owen ny amin'ny hoe “Mawazo na Mawaidha”, saingy mihevitra fa tena mahafinaritra sy malefadefaka tsara ny fiteny. Ohatra iray tena tsara mikasika ny antom-pisian'ny tetikasan'ny Global Voices… mba ho fanentsenana ireo banga… ankehitriny, raha toa ampahatsorana fotsiny, afaka nanolotra mpandikateny iray an-tserasera swahili-angilisy izahay.

Maniry ny hahita akanjo maitso bebe kokoa i Ms. K ary mankasitraka izany raha mba mamela ireo satrony i Camilla.

Mahatsiaro ny sakafo maraina i Sonny.

Afromusing on the chasm between Africans and African Americans [4].   ……….Afromusing eo amin'ny hantsana misy eo amin'ireo Afrikana sy ireo Afrikana metisy Amerikana [4].

Taterin'ny gazety ao an-toerana ny momba ny Banky Barclays any Kenyà AGM [5]. Tatitry [6] ny Bankelele momba ny AGM ihany. Tsy zavatra tsara ve ny blaogy?