- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fironana Sinema Shiliana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

Mihabetsaka hatrany araka ny itomboan'ny taona ny Sarimihetsika Shiliana. Tontosaina ao an-tanànan'i Valdivia [1] hatramin'ny taona 1993 ny “Festival de cine de Valdivia” [2], fetiben'ny sinema shiliana fantadaza indrindra. Afa-manolotra ny sanganasan'izy ireo amin'ity lanonana iraisampirenena isan-taona ity ny mpanatontosa sy ny tale shiliana. Afa-mamaky ny momba ity hetsika fanao isan-taona ity sy ny antsipirihan'ny sarimihetsika shiliana alefa ao amin'ity fetibe ity ianao ao amin'ny bilaogy shiliana “Fuga Magazine” [3] sy “Voraz Film Festival” [4]. Azonao atao ihany koa ny mamaky teny momba ny “Viña del Mar Cinema festival” [5] (ao an-tanànan'i Viña del Mar [6], izay tontosaina herinandro iray monja aorian'ny fetiben'i Valdivia). Ao amin'ny bilaogy “Analizame” [7] (Tsiriho Aho) no amoahan'i Gonzalo Maza, mpanoratra tantara foronina, ny fanadihadiany ny sehatra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena. Ao amin'ny “Las Peliculas de mi Vida” [8] (Ny Sarimihetsiky ny fiainako) no amoahan'ny mpanoratra sady mpanatontosa (tale) Alberto Fuguet ny fiantraikan'ny sarimihetsika “Se Arrienda” (Ahofa) eo amin'ny fampitam-baovao sy ny loka azon'ny mpiantsehatra. Ao amin'ny “Esta es la Sagrada Familia” [9] (Fianakaviana masina ity fianakaviana ity), no amoahan'ny tale Sebastián Campos ny tsikera ataony momba ny sarimihetsika amin'ny ankapobeny.