Fironana Sinema Shiliana

Mihabetsaka hatrany araka ny itomboan'ny taona ny Sarimihetsika Shiliana. Tontosaina ao an-tanànan'i Valdivia hatramin'ny taona 1993 ny “Festival de cine de Valdivia”, fetiben'ny sinema shiliana fantadaza indrindra. Afa-manolotra ny sanganasan'izy ireo amin'ity lanonana iraisampirenena isan-taona ity ny mpanatontosa sy ny tale shiliana. Afa-mamaky ny momba ity hetsika fanao isan-taona ity sy ny antsipirihan'ny sarimihetsika shiliana alefa ao amin'ity fetibe ity ianao ao amin'ny bilaogy shiliana “Fuga Magazine” sy “Voraz Film Festival”. Azonao atao ihany koa ny mamaky teny momba ny “Viña del Mar Cinema festival” (ao an-tanànan'i Viña del Mar, izay tontosaina herinandro iray monja aorian'ny fetiben'i Valdivia). Ao amin'ny bilaogy “Analizame” (Tsiriho Aho) no amoahan'i Gonzalo Maza, mpanoratra tantara foronina, ny fanadihadiany ny sehatra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena. Ao amin'ny “Las Peliculas de mi Vida” (Ny Sarimihetsiky ny fiainako) no amoahan'ny mpanoratra sady mpanatontosa (tale) Alberto Fuguet ny fiantraikan'ny sarimihetsika “Se Arrienda” (Ahofa) eo amin'ny fampitam-baovao sy ny loka azon'ny mpiantsehatra. Ao amin'ny “Esta es la Sagrada Familia” (Fianakaviana masina ity fianakaviana ity), no amoahan'ny tale Sebastián Campos ny tsikera ataony momba ny sarimihetsika amin'ny ankapobeny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.