- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Blaogy Afghan (2005): Fitsarana & Heloka an'Ady, Ady amin'ny Rongony sy Parlemanta

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Afganistana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 20 desambra 2005)

Vao nanambara ny governemanta ao Afghanistan fa mikasa hiatrika hamaha ny olan'ny heloka an'ady sy ireo fanitsakitsahana hafa nitranga nandritra ny taompolo maro nisian'ny ady tao amin'ny firenena izy. Nosoratan'i Afghan Reality ny mahazavadehibe izany drafitra izany sy ny olana mety hibahana izany. [1]

It is clear that an ambitious plan dealing with such topics as truth and justice that encompass a constellation of meanings and interpretations is not an easy task.
An important question rises whether the Afghan government and the international community would be willing to compromise some political instability at the cost of bringing to justice the perpetrators.

In other words, how is the government going to deal with the aftermath of holding these influential officials responsible for their brutal crimes against the Afghan society? While some are already dead, most of these individuals enjoy enormous respect, support and backing from their respective communities.

Most important, nowhere within this action plan, as it stands, have I come across the question of crimes committed by external states.

Most of today’s Afghan problems could be traced to the external intervention and exploitation. Who is responsible for making Afghanistan one of the most mined country? Which country is prepared to take responsibility and compensate for the loss of thousands of innocent lives, predominantly children?

Mazava loatra fa tsy asa mora izany drafitra hamaha lohahevitra tahaka izany rehefa mifampidimpiditra ao anatin'ny fandikana sy fomba fihevitra maro dia maro (mety hifanipaka) ny marina sy ny rariny.

Misy ny fanontaniana lehibe raha mety hanao marimaritra iraisana amin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sasantsasany ny governemanta Afghan sy ny firaisamponina iraisampirenena raha hitondra ireo mpanitsakitsaka lalàna eny amin'ny fitsarana.

Amin'ny teny hafa, ahoana ny ataon'ny governemanta amin'ny fiantraikan'ny fitazonana ireo mpiasam-panjakana ambony ho tompon'andraikitra amin'ny heloka bevava nataony tamin'ny fiarahamonina Afghan? Raha efa maty ny sasany, ny ankamaroan'ireo olona ireo kosa dia hajaina, tohanana ary arovan'ny vondrom-piarahamonina misy azy fatratra.

Lehibe noho izany, tsy hita amin'ity fikasana ity, araka ny ijoroany, rehefa namaky azy aho ny firesahana ny heloka nataon'ireo firenen-kafa (teto amin'ny firenena).

Azo zohiana avy amin'ny fidirana an-tsehatra sy fanandevozana avy any ivelany ny ankamaroan'ny olona afghan mitranga amin'izao fotoana izao. Iza no tompon'andraikitra tamin'ny fanaovana an'i Afghanistan ho iray amin'ny firenena be vanja milevina indrindra. Iza no firenena vonona handray andraikitra sy hanonitra amin'ny fahafatesanny tsy manantsiny an'arivony, izay ankizy no maro aminy?

Efa ela no olona lehibe izany rongony izany ho an'i Afghanistan. Vao haingana ny tafika britanika no niara-dalana amin'ny tafika Afghan hiady amin'ny [2] rongony sy ny mpanao trafika azy io. Ankasitrahan'i Afghan Warrior izany fisantaran'andraikitra izany ka nanoratra momba izany izy [3]:

Although Afghan anti-narcotics forces are fighting against the drugs smuggling, they do not have enough forces and equipment to defeat the drugs traffickers. Many Afghan people believe that some warlords and some traffickers linked to the Taliban are involved in the drugs trade and they think some police forces are bribed by the smugglers because their salaries are very low. One policeman only makes US$75 to US$100 a month which is not enough to support themselves and their family. So the British forces will play a key role against the drugs smugglers. Most drug traffickers operate in rural and mountainous areas which are hard for Afghan forces to reach, but the British paratroops-led unit will easily reach those areas

Na dia miady amin'ny fanaovana trafikan-drongony aza ny hery miady amin'ny rongony Afghan, dia tsy ampy hery sy fitaovana handresena ireo mpanao trafikan-drongony. Maro ny ao amin'ny vahoaka Afghan no mihevitra fa tafiditra amin'ny varotra rongony ny sasany amin'ireo lehiben'ady sy mpanao trafikan-drongony manana fifandraisana amin'ny Taliban, ary mihevitra ry zareo fa voakolikolin'ny mpanao trafika ny polisy sasantsasany satria kely ny karaman-dry zareo. Anelanelan'ny 75 dolara ka hatramin'ny 100 dolara US isam-bolana ihany no azon'ny polisy iray ary tsy ampy izany hivelomany sy ny fianakaviany. Noho izany dia hanana anjara toerana lehibe ny tafika britanika amin'ny ady amin'ny trafikan-drongony. Maro amin'ireo mpanao trafikan-drongony no miasa amin'ny faritra ambanivohitra sy be tendrombohitra izay sarotra ho an'ny tafika Afghan ny mahatratra ireo faritra ireo, saingy mora ho an'ny andia-tafika mpilatsaka an'elonaina ny hiditra amin'irenyf faritra ireny.

Mihaona ao Kabul [4] ny parlemanta voalohany taorian'ny ady tao Afghanistan. Nilaza ny Afghan Lord fa andro manan-tantara ara-politika eto Afghanistan ity andro ity. [5]

Today is a public holiday in Afghanistan in respect of inauguration of parliament. People seem happy although suffered of injustice and war in the last 24 years. In their faces you can read; no war after this, brotherly and friendly living.

Andro tsy iasana androany eto Afghanistan ho fanajana ny fananganana ny parlemanta. Toa faly ny vahoaka na dia miaritra tsy rariny sy ady aza tao anatin'ny 24 taona. Afa-mamaky ianao eo amin'ny endriny hoe tsy hisy ady aorian'izao, fiainam-pirahalahiana sy fisakaizana.