- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Krizy Nokleary, Sazy & BBC

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Lasa tantara mafana ao amin'ny fampahalalam-baovao manerantany ny krizy nokleary Iraniana [1]. Bilaogera Iraniana maromaro ao anatiny sy ivelan'i Iran no nizara ny fahatsapan'izy ireo sy ny tahotr'izy ireo momba ny sazy sy ny ady. Mampiseho ny fahadisoam-panantenan'izy ireo amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena ihany koa izy ireo.

Mehrangize Kar [2], mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona, mpanoratra sady bilaogera monina ao Etazonia nilaza hoe:

Under the present conditions, the people of Iran have no patience for war and blockade. They are disappointed to the point that whomever the Islamic leaders declare as an enemy, they consider as a friend; and whomever the leaders declare as a friend, they consider as an enemy. [3] They also define national security as a concept based on territorial integrity, social wellbeing, economic security, liberties, democracy, human dignity, justice and human rights“.

“Amin'ny fepetra misy ankehitriny, tsy manam-paharetana amin'ny ady sy ny fanakanana ny vahoaka Iraniana.” Diso fanantenana izy ireo satria izay heverin'ireo mpitarika Islamika fa fahavalo, dia heverin'izy ireo fa namana, ary izay lazain'ireo mpitarika fa namana, dia heverin'izy ireo fa fahavalo [3]. Mamaritra ny fiarovam-pirenena ho hevitra mifototra amin'ny filaminan'ny faritra, ny mahasoa ara-tsosialy, ny fiarovana ara-toekarena, ny fahalalahana, ny demokrasia, ny fahamendrehan'olombelona, ny rariny sy ny zon'olombelona” ihany koa izy ireo.

Mr.Behi, bilaogera monina ao Iran nanoratra hoe:

I am very scared of this nuclear issue. This is just a messy world. In one side it the Iranian government with all these manipulative crazy policies in foreign affairs and from the other side, the nuclear powers that keep threatening us. Who do they think will suffer if they put Iran under UN sanctions?….. [4]I am so upset about international media too. The Iranian nuclear dispute is making headline in the news and when they want to show something about it, they show Ahmadinejad [5], some nuclear sites, some satellite picture and that is it. Some days ago, BBC World [6] had a live contact with its correspondent in Tehran in a very snowy day. All she showed about people’s opinion was some scenes of Friday prayers –where virtually all of the supporters of government gather- and they have been chanting whatever the leader says since 26 years ago! I guess it was too cold and snowy for the BBC’s correspondent to move a little bit in Tehran and ask what other people might think“.

“Tena matahotra momba ity olana ara-nokleary ity aho. Tontolo mikorontana izany. Etsy andaniny, ny governemanta Iraniana miaraka amin'ireo politika adala sy mamitaka rehetra momba ny raharaham-bahiny, etsy ankilany, ny matanjaka amin'ny nokleary izay mandrahona antsika hatrany. Iza no eritreretin'izy ireo fa hijaly raha hametraka sazy avy amin'ny Firenena Mikambana ho an'i Iran izy ireo? [4]….. Tena kivy amin'ny media iraisam-pirenena ihany koa aho. Miseho amin'ny lohatenim-baovao lehibe ny fifanolanana momba ny nokleary Iraniana, ary rehefa te hampiseho zavatra momba izany izy ireo, dia mampiseho an'i Ahmadinejad [5], ny toerana nokleary sasany, sary zanabolana sasany .. Andro vitsy lasa izay, nifandray mivantana tamin'ny solontenany tao Teheran tamin'ny andro iray feno ranomandry ny BBC World [6] . Ny zava-drehetra nasehony momba ny hevitry ny olona dia ny zava-misy rehefa vavaka isaky ny Zoma – izay mivory ara-virtoaly ireo mpomba ny governemanta – ary mihiaka izay nolazain'ny mpitarika hatramin'ny 26 taona lasa. Mihevitra aho fa tena mangatsiaka sy be ranomandry ho an'ny solontenan'ny BBC ny handeha kely ao Teheran ary manontany izay mety hoeritreretin'olon-kafa “.

Hoder, bilaogera monina ao Toronto, miezaka manome vahaolana ao amin'ny bilaoginy. Hoy izy:

So, please, instead of putting all your energy on stopping Iran, channel all your resources to make this regime change its behaviour. It's not possible by military attack or a coup. It's only possible by helping every Iranian individual understand that they can change this regime if they want to. Not through another violent revolution, but simply through small holes that for whatever reason exist: elections [7]“!

Noho izany, azafady, raha tokony hampiasa ny herinao rehetra amin'ny fampiatoana an'i Iran, ataovy mampanova ny fitondrantenan’ ity fitondrana ity ny herinao rehetra. Tsy azo atao amin'ny alalan'ny fanafihana miaramila na fanonganam-panjakana izany. Ny fanampiana ny olo-tsotra Iraniana tsirairay no ahafahana manao izany mba hahatakatra izy ireo fa azon'izy ireo ovàna ity fitondrana ity raha tian’ izy ireo. Tsy amin'ny alalan'ny revolisiona mahery setra hafa indray, fa amin'ny alalan'ny lavaka kely ihany, na inona na inona antony: ny fifidianana [7] “!

Bilaogera monina ao Iran i NasimeDashtizay mihevitra fa tsy misy afa-tsy ny fandeferana amin’ izao tontolo izao ihany, indrindra indrindra amin'i Etazonia, afaka mahazo teknolojia nokleary i Iran [8]. Heveriny fa mila mifampiraharaha amin'i Etazonia i Iran mba hamaranana ny fifandirana.

Nijery bilaogy Hezbollah [9] maromaro aho fa tsy nahita zavatra momba ny krizy na sazy nokleary. Fahanginana fotsiny!