- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonamben'ny Global Voices Taona 2017: Isa Miverina Ho Any Sri Lanka!

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Mediam-bahoaka
[1]

Farihin'i Beira an'i Colombo amin'ny alina. SARY: Shamli071 tao amin'ny Wikimedia Commons

Afghanistàna, Arzantina, Aostralia, Azerbaijàna, Bangladesh, Bolivia, Brezila, Kanadà, Shily, Shina, Kôlômbia, Danemarka, Ekoatora, Ejipta, Etiopia, Frantsa, Alemaina, Gresy, Ginea, India, Indonezia, Iràna, Italia, Jamaika, Japàna, Jordàna, Kenià, Libanona, Makedonia, Madagasikara, Maldiva, Meksika, Mozambika, Myanmar, Nepal, Nizerià, Pakistàna, Palestina, Pero, Filipina, Rosia, Serbia, Afrika Atsimo, Espaina, Sri Lankà, Taiwan, Tajikstàna, Tanzania, Trinidad sy Tobago, Tonizia, Ogandà, Grande Bretagne, Etazonia, Venezoelà, Vietnama.

Ireo, raha sendra manotany tena ianareo, ry zareo firenena maherin'ny 50 – ho voasolo tena amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices 2017 [2].

Afaka iray volana mahery kely sisa, ny 2 sy 3 desambra, olona anjatony avy any amin'ireo zorontany efatra manerana izao tontolo izao no hihaona ao TRACE Expert City [3] ao Colombo, Sri Lankà, handany roa andro miaraka, hitrandrahana ireo rohy misy eo amin'ny aterineto misokatra sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ireo hetsika sivily an-tserasera manerana izao tontolo izao.

Nanomboka ny taona 2006, nanangona miaraka ireo mpikatroka ara-nomerika sy vondrom-piarahanmonin'ny media tena manana fahaizamamorona sy manainga fanahy manerana izao tontolo izao ny Fihaonambe Global Voices [4]. Voaporofo fa ireny fihaonana ireny dia maha-tany lonaka ho an'ireo hevitra sy ireo fiarahamiasa mamaky sisintany, ary andrandrainay ny hanohy io fomba io mandritra ny fihaonamben'ny taona 2017.

Lohahevitra maro no ho hita amin'ny fandaharam-potoana [5] amin'ity taona ity, ny fanolorana fohifohy ireo tetikasa, dinika an-databatra boribory misokatra ary ireo sehatrasa fampiofanana mivantana miaraka amin'ireo feo vitsivitsy mpiaro zo nomerika ary ireo media-n'ny olom-pirenena manerantany. Ary ampahany amin'ireo dingana, ho hamorainay ny fandraisana anjara amin'ny alàlan'ny aterineto amin'ny fotoana tena itrangany, ary koa ny fisintonana,  fandikàna ary ny fandefasana ireo fahalalana ary ireo adihevitra mivoaka avy ao amin'ny fivoriana.

Raha maniry ny hanjohy anay any Colombo ianao, azafady misorata anarana [6] amin'ny vohikalan'ny Fihaonambe [2]. Ary raha toa ianao tsy afaka ny ho tonga mivantana, mbola hoalefanay mivantana ireo ampahany amin'ny fandaharam-potoana ny 2 sy 3 desambra 2017.

Ary asio maso ny Vohikalan'ny Fihaonambe [2], ny Twitter [7], ary ny Facebook [8] mba hahazoana izay fanavaozana farany!

Tanteraka ny Fihaonambe Global Voices 2017 nohon'ny fanohanana mahafatrapo avy amin'ny MacArthur Foundation [9], Ford Foundation [10], Mozilla Foundation [11]Groundviews [12]Google [13], Calcey Technologies [14], Lanka Bell [15]ary ny Hashtag Generation [16]