- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: “Mpitsikilo Pelaka , Vono An'olona Ary I Henry Kissinger”

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Tantara

(Marihina fa tamin'ny 14 Desambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Vao haingana no navoakan'ny Arisivan'ny Fiarovam-pirenena Amerikana ampahibemaso ny antontan-taratasy iray hitan'i Monica Gonzalez, mpanao gazety Shiliana mpanao fanadihadiana ary azon'ny besinimaro jerena ao amin'ny oniversite UNIACC ao Santiago, Shily izany ankehitriny, hoy i Tomás Dinges [1]. “Ankoatra ny fanomezana vaovao ara-pitsarana mikasika ny Operation Condor sy ny Operation Colombo, dia manadihady  ny ezaka fitsikilovana nataon'ny DINA hitsikilovana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay nataon'ny miaramila mpitandro filaminana Arzantina nandritra ny taompolo 1970 ihany koa izany.”