- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ny Fehizoron'ny Vaovao Miaraka Amin'i Emily May-n'ny Hollaback!

Sokajy: Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, NewsFrames

 Loharanon-tsary : HeartMob [1] (CC BY-NC-4.0)

Ao anatin'ireo fiampangàna ilay mpamokatra horonantsary ao Hollywood, [2]Harvey Weinstein, [2]  [2]ho nanao fanararaotana ara-nofo ary ny fironana amin'ilay fanentanana #MeToo, [3] dia lasa matoam-baovao any Etazonia sy Angletera ilay lohahevitry ny herisetra sy sotasota ara-nofo.

Saingy amin'ny olona tao an-dry Emily May dia ao an-tsainy mandrakariva ireny resaka ireny. Izy no mitarika ny Hollaback!, ” hetsika manerantany natosik'ireo olom-pirenena mba hanafoanana ny sotasota”, ao aminà haba-tranonkala izay ahitàna karazana fijoroana vavolombelona. [4]Nanontany azy izahay mba hilazalaza ny firafitry ny filazàm-baovao momba ny sotasota.

Global Voices : Taitra tamin'ilay lahatsoratra momba ny [5]Hollaback [5]! tamin'ny 2013 izahay. Nanoratra tao i Mariame Kaba, iray amin'ireo mpanohana anao:

I think our frame is wrong. The point is to make harassment culturally unacceptable, and not treat other people this way. That's a lot of hard work that may involve community accountability circles, or restorative justice, but it should be any number of things before a law enforcement approach.

Heveriko fa diso ny fehizorontsika. Ny hanaovana izay tsy hanekena ny sotasota ho zavatra tsy lavina ara-kolontsaina no tiana hahatongavana fa tsy ny hitondràna ny hafa tahàka izao. Asa goavana sy sarotra tsy maintsy atao izany, izay mety hampisy rojon'andraikitra eo anivon'ny fiarahamonina, na fepetra ara-dalàna famerenana ho amin'ny laoniny, saingy tokony mila zavatra betsaka mialohan'ny fomba iray ho fampiharana ny lalàna.

Ahoana no hamaritanao ny ” fehizoro” ?

Emily May : Ny fehizoro, dia toy ny solomaso hanaovanao mialoha ny hijerena zavatra iray. Ahafahana mahita zavatra mazava tsara izy, nefa raha diso ny taratasy avy amin'ny dokoteranao, dia mety hampanjavona ny rehetra izy.

Global Voices : Azonao omena ohatra ve izahay ?

Emily May : Hitanaoooo,  rehefa mihaino ny vaovao amin'ny hariva ianao — dia manadihady ilay fanolanana farany ve ry zareo?  Mitovy hatrany ny fametrahana ho anaty zoro: ” Diso ve izy, sa tsia ? Anareo ny mieritreritra !”. Tsy hipetraka mihitsy ireo fanontaniana ireo raha misy olona maty nisy namono, na nalaina an-keriny, na niharan'ny habibiana. Rehefa vatanà vehivavy ihany no resahana vao mipetraka io fanontaniana io.

Global Voices : Ndeha horaisintsika ny hoe heverinao fa tena zava-dehibe ny fametrahana ho anaty zoro, raha raisina ny asanao amin'io sehatra io. Fa nahoana no zava-dehibe io, sy/na inona avy ireo olana hita ankehitriny ?

Emily May : Misy fiantraikany amin'ny fomba fijerintsika azy ny fametrahana ny zavatra ho anaty fehizoro. Azo ampiasaina hampaharetana ireo fanavakavaham-bokonkoditra na fanavakavahana ara-pananahana, na hamotehana azy ireo ny fehizoro. Fitaovana iray matanjaka ilaina kirakiraina aminm-pahamalinana fatratra ny fehizoro.

Global Voices : Heverinao ve fa ireo mpamaky sy mpanoratra ny vaovao dia afaka manao izay tiany atao rehefa fehizoro no atao resaka ?

Emily May : Rehefa mamaky lahatsoratra ianao, makà fotoana fohy hanakàrana ny any ambadiky ny zavatra atolotra, ary mivoaka an'ilay fehizoro : inona no hevitra tian'ny mpanoratra atolotra ? inona no no zava-misy asongadiny, sy inonano tsapa ho toa afeniny ? Mijere loharanom-baovao hafa mba hahazoana fomba fijery samihafa alohan'ny hanapahana hevitra ny amin'izay tena izy sy mifandray amin'ilay tantara.

Tena zava-dehibe ihany koa izany amin'ny ezaka ataonay, noho izany dia nanaovanay tantara an-tsary iray ny fomba famantarana ireo vaovao tsy marina.   [1]

Emily May, navoaka rehefa nahazoana alàlana. Sary: Carly Romero.

Global Voices : Azonao lazalazaina aminay misimisy kokoa ve ny momba ny Hollaback! ?

Emily May : Te-hanafoana ny sotasota  amin'ny endriny rehetra izahay, manomboka eny amin'ny arabe izany ka hatrany amin'ny aterineto. Manana tetikasa antsoina hoe HeartMob, [6]izay manampy ireo olona iharan'ny sotasota amin'ny aterineto, ihany koa izahay

Global Voices : Fa hono tokoa ho'aho, aiza marina ianareo no mipetraka ary inona no fiteny itenenanao ? Vondrom-piuarahamonina iraisam-pirenena izahay ary te-hahafanatatra ireo antonantony resahan'ny tsirairay.

Emily May :
Monina any Brooklyn aho ary miteny anglisy.