- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika: Fahagagana Ara-pivavahana

Sokajy: Afrika Mainty, Fivavahana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 8 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamarika lahatsoratra iray momba ny firongatry ny finoana fahagagana ara-pivavahan any Afrika [1] ny Africa Unchained… ”  Tena malaza mino fahagagana ny Afrikana manomboka ao Gambia ka hatrany Afrika Atsimo. Any Afrika Andrefana izay ahitana ny fiangonana lehibe ara-panahy tena manan-danja indrindra raha oharina amin'ny faritra hafa any Afrika, manatrika fiangonana mandritra ny  24 ora isan'andro ireo olona miaraka amin'ny fanantenana fa hisy ny fahitana sy ny fahagagana. “