- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily: 27 Ora Itiavana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 4 Desambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamarika ny fanombohan'ny hetsika asa fanasoavana lehibe indrindra tao Shily ny Alakamisy lasa teo, izay nantsoina hoe Teleton [1]. Manazava ny momba ny tantaran'izany fohifohy i Carola [2] :

La historia de Teletón comenzó a escribirse en diciembre de 1978, en Chile, cuando el famoso conductor de Televisión Mario Kreutzberger, Don Francisco, asumió un compromiso público con las personas con discapacidad -en especial niños- decidiendo hacer algo en su beneficio. La meta que se había planteado era enorme, unir a un país entero en torno a una sola causa. Los medios de comunicación, los patrocinadores, los benefactores y un excelente elenco artístico participaron en el primer gran evento de América Latina.Por primera vez en nuestro continente se transmitió un programa de 27 horas de emisión continua que no tenía otro objetivo sino brindar ayuda solidaria a estos niños, recaudando recursos económicos para atender y ayudar a niños con discapacidad, fomentando la cultura de la integración y la participación ciudadana” (texto Teleton Mexico)

Nanomboka nanoratra ny tantarany ny Teleton tamin'ny Desambra 1978, raha nahavita nanolo-tena hiantsoroka ireo olona sembana indrindra fa ho an'ireo ankizy i Don Francisco lehiben'ny Fahitalavitra malaza Mario Kreutzberger, ary nanapa-kevitra ny hanao zavatra ho amin'ny tombontsoan'ireo manana filàna manokana ireo. Lehibe ny tanjona: ny hampiray ny firenena iray manontolo amin'ny fotokevitra iray. Nandray anjara tamin'ity hetsika Amerikana Latina goavana voalohany ity ny fampitam-baovao, ireo mpanohana, ireo mpanasoa ary ireo ekipa mpanankato tena malaza. ity no fotoana voalohany nanaovana fampisehoana iray maharitra 27 ora natao tato amin'ny kaontinantantsika, ary tsy misy tanjona afa-tsy ny firaisankina amin'ireo ankizy, ny fanangonana ara-bola hanampiana ireo ankizy manana fahasembanana, ny fampiroboroboana ny kolontsain'ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena.

Me llamó la atención que cambiaron la estrategia comunicacional, pasaron de la alegría que es la Teletón (27 horas de amor) a una comunicación que va enfocada a la emoción, pero trágicamente.
Los Spots son efectivos pero creo que esa no es la estrategia adecuada para la campaña más importante de Chile.”

Nisarika ny saiko ny nanovan'izy ireo ny paikady fifandraisana  izay niainga tamin'ny fifaliana azo tamin'ny Teleton (“27 ora itiavana”) hifantohana amin'ny fihetseham-po, saingy nampalahelo. Nahomby ny fanentanana, saingy mihevitra aho fa tsy mety ho an'ny fanentanana Shiliana lehibe indrindra izany.

Namoaka ireo teny filamatra samihafa izay efa nananan'ny Teleton hatramin'ny taona 1978 i Roberto Arancibia [3] (ES). Atolony antsika ny angon-dahatsoratra sasantsasany :

19 Teletones han pasado desde 1978, en que la meta fue de poco más de 30 millones de pesos, (la equivalencia de la época para un millón de dólares), que finalmente logró juntar algo más de 84 millones. Esta vez, la número 20, la meta es bastante más alta: once mil millones de pesos.

Teletons miisa 19 no efa nisy hatramin'ny taona 1978, ary 30 tapitrisa pesos (mitovy amin'ny iray tapitrisa dolara amerikana tamin'izany fotoana izany) no tanjona tamin'izany, ary voaangona ny 84 tapitrisa pesos mahery tamin'ny farany. Tamin'ity indray mitoraka ity, Teleton laharana faha 20, betsaka kokoa ny azo: 11 lavitrisa pesos (11 403 914 256).