- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampiasàna ny Fanamarihana Mba Hifampiresahan'ny Sinoa Sy Ny Japoney

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Shina, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

AMPIASAO ITY FANAMARIHANA ITY: cn_jp_dialog

Nisy mailaka nifanaovanay Sinoa, Japoney ary Amerikana hifanakalozan-kevitra momba ny fomba tsara indrindra hanohanana adihevitra am-pahendrena momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa sy ny Japoney izay nisy farany teo. Azo atao ny mamorona bilaogim-bondrona sy / na mpanangom-baovao araka izay mety hitranga eo, saingy niombon-kevitra izahay fa amin'ny alalan'ny rafitra fanamarihana technorati [1] sy del.icio.us [2] no mety ho fomba tsara indrindra hanombohana.

Koa ity ny tetika: Raha mamoaka zavatra ao amin'ny bilaoginao momba ny fihenjanana eo amin'ny Sinoa-Japoney, na adihevitra momba ny tantara Sinoa-Japoney, sy ireo olana mifandraika amin’izany ianao (na raha mampiakatra sary mifandraika amin’izany ao amin'ny aterineto), miangavy anao mba hanome izany ity fanamarihana manaraka ity ao amin'ny del.icio.us [2], Flickr [3], Furl, sy/na Technorati: cn_jp_dialog.

(Toromarika fanampiny: raha hanampy ny fanamarihana technorati ao amin'ny lahatsoratry ny bilaoginao ianao, dia ampio an’ity HTML manaraka ity ny lahatsoratra tianao hisy azy: <a href=”http://technorati.com/tag/cn_jp_dialog” rel=”tag”> cn_jp_dialog </a> – Fanamarihana: tsy velona intsony ity rohy ity)

(Raha toa ka mametraka ny fanazavanao eo ambanin'ny iray na maromaro amin'ireo rafitra rehetra ireo ianao, dia mipoitra ao amin'ity takelaka ity izany: http://www.technorati.com/tag/cn_jp_dialog – Fanamarihana: tsy velona intsony ity rohy ity)

Ireo Sinoa mpanoratra bilaogy no nitari-dàlana tamin'ny fampiasàna ny fanamarihana ho fomba iray hiresahana ireo olana – indrindra ny ara-pôlitika. Taorian'ny nanakatonana ny birao fandraketana SMTH tao amin'ny anjerimanontolo Tsinghua, dia nampiasa ny fanamarihana SMTH ireo Sinoa bilaogera hizaràna ireo vaovao sy fomba fijery manoloana ny zava-nitranga.

Manome fanazavana betsaka kokoa momba ny fomba fampiasana ny fanamarihana mba hananganana vondrom-pizarana vaovao sy hamoronana fifanakalozan-kevitra i Kevin Wen sy Andrea Leung.

Raha te hahalala momba ny fampiasana ny fanamarihana amin'ny ankapobeny kosa dia jereo ny lahatsoratr'i David Weinberger eto [4]sy eto [5].