- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: Samy Manana Ny Androny, Antsoina Hoe “Kukur Tihar”, Ny Alika Tsirairay Avy

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Foko sy Fiaviana, Hehy, Mediam-bahoaka, Saripika, Teratany, Vaovao Tsara
[1]

Alika voaravaka tika mena sy fehiloha ho fankalazàna ny Kukur Tihar. Sary tao amin'ny Flickr nalain’i Wildstray. CC BY-NC-ND 2.0

Fantatrao ve fa any Nepal sy any amin'ny faritra sasany any Inde dia misy fialantsasatra Hindoa hankalazàna manokana ny fifandraisana miavaka eo amin'ny olombelona sy ny alika?

Antsoina hoe Kukur Tihar [2] izy io ary andro faharoa amin'ny fety maharitra dimy andro antsoina hoe Tihar [3], izay ankalazaina miaraka amin'ny jiro sy tsipoapoaka, mitovy amin'ireo fomban'ny Diwali [4] any Inde sy any an-kafa. Mandritra ny Kukur Tihar, toloran’ny olona fehiloha, tika (teboka mena) sy karazan-tsakafo toy ny ronono, atody, hena, na karazan-tsakafo tsara kalitao na ho an'ny alika an-trano na ho an'ny alika mpirenireny.

Antsoina hoe “malla” ilay fehiloha, ary manindrahindra ny fiderana sy fahamendrehana izany. Manambara [5] izay misalotra azy io ho fananana iankinana aman’aina izany ary maneho ny vavaka ampiarahana amin'ilay alika. Ny tika dia manome toetra masina an’ilay alika ary miasa ho fitahiana ho an'ireo olona mifanena aminy amin'ity andro fitahiana ity.

Manazava i Pradeep Singh [6] ao amin'ny bilaoginy:

Ny Hindoa dia mino fa ny alika dia mpiambina an'i Yamaraj, izay fantatra amin’ny maha andriamanitry ny fahafatesana azy. Heverina fa biby tsy mivadika izany ny alika ary ankalazàna ny fifandraisana eo amin'ny olombelona sy ny alika ity andro iray ity.

Tamin'ity taona ity, dia nitotona ny 18 Oktobra ilay fialantsasatra, ary feno sarin'ireo alika nampiataina miaraka amin’ireo tompony sambatra ny media sosialy any Nepal.

Mirary fetin'ny alika mahafinaritra

“Samy manana ny androny ny alika tsirairay.”

Mirary kukur tihar mahafinaritra ho an'izay rehetra mankalaza. Ity no anisan'ny fety milay indrindra misy aty amin'ny tanàna.

Andro tiako indrindra. Amin’ny anaran’ny fahamendrehan’izy ireo.

Nizara ny vavaka (“puja”) nataony niaraka tamin’ireo alika ihany koa ny olona:

Lahatsary avy amin'ny lanonan'ny Kukur (Alika) Tihar androany.

Ny fanajana ny zavaboary tsirairay no fenitra fototra amin'ny angano Hindoa. Androany no andron'ny Alika ao Nepal. Mirary ‘KukurTihar’ sambatra (fanompoam-pivavahana amin'ny alika)

Nanararaotra nankalaza azy io niaraka tamin’ny biby fiompiny koa ireo tompon'alika sasany avy any an-toeran-kafa eto amin'izao tontolo izao:

Ankalazain'ny fianakaviako (@ dahalalish [31] @ kellyjellymua [32]) ny Diwali [33] – indrindra ny Kukur Tihar [16] miaraka amin'ny zanakalikan'ny ray tampo amiko, Pepper!

Mirary Kukur Tihar sambatra, ilay fialantsasatry ny firenena, foko, na finoana rehetra midera an’ireo alika namantsika.

Raha mba nisy fihetsika maneho fitiavana toy izany foana moa natao tamin’ny alika mandavan-taona, hoy ny fandinihana nataonà tetikasa iray mpikarakara biby ao Nepal:

Miyu, alika marenina navelan’ny tompony, ankehitriny efa noraisinay ary mankafy ilay fetibe 🙂
‘Ndeha isika hanome ny fitiavana sy fikarakarana mendrika ny alika mandavan-taona.