
Alika voaravaka tika mena sy fehiloha ho fankalazàna ny Kukur Tihar. Sary tao amin'ny Flickr nalain’i Wildstray. CC BY-NC-ND 2.0
Fantatrao ve fa any Nepal sy any amin'ny faritra sasany any Inde dia misy fialantsasatra Hindoa hankalazàna manokana ny fifandraisana miavaka eo amin'ny olombelona sy ny alika?
Antsoina hoe Kukur Tihar izy io ary andro faharoa amin'ny fety maharitra dimy andro antsoina hoe Tihar, izay ankalazaina miaraka amin'ny jiro sy tsipoapoaka, mitovy amin'ireo fomban'ny Diwali any Inde sy any an-kafa. Mandritra ny Kukur Tihar, toloran’ny olona fehiloha, tika (teboka mena) sy karazan-tsakafo toy ny ronono, atody, hena, na karazan-tsakafo tsara kalitao na ho an'ny alika an-trano na ho an'ny alika mpirenireny.
Antsoina hoe “malla” ilay fehiloha, ary manindrahindra ny fiderana sy fahamendrehana izany. Manambara izay misalotra azy io ho fananana iankinana aman’aina izany ary maneho ny vavaka ampiarahana amin'ilay alika. Ny tika dia manome toetra masina an’ilay alika ary miasa ho fitahiana ho an'ireo olona mifanena aminy amin'ity andro fitahiana ity.
Manazava i Pradeep Singh ao amin'ny bilaoginy:
Ny Hindoa dia mino fa ny alika dia mpiambina an'i Yamaraj, izay fantatra amin’ny maha andriamanitry ny fahafatesana azy. Heverina fa biby tsy mivadika izany ny alika ary ankalazàna ny fifandraisana eo amin'ny olombelona sy ny alika ity andro iray ity.
Tamin'ity taona ity, dia nitotona ny 18 Oktobra ilay fialantsasatra, ary feno sarin'ireo alika nampiataina miaraka amin’ireo tompony sambatra ny media sosialy any Nepal.
Happy dog day ? ?#kukurtihar #festival #diwali #culture #dog #flowers #hindufestival ? ✌ pic.twitter.com/1BzcM5Jm2Y
— Suraj Dangol (@its_me_suuu) October 18, 2017
Mirary fetin'ny alika mahafinaritra
“Every dog has its day.”#KukurTihar pic.twitter.com/j9zrafyqiJ
— Pujan Shrestha (@p_shrestha1) October 18, 2017
“Samy manana ny androny ny alika tsirairay.”
Happy #kukurtihar to everyone celebrating. One of the coolest festivals around. pic.twitter.com/EWuHJX86WA
— Kumud Raj Poudel (@kumudrajp) October 18, 2017
Mirary kukur tihar mahafinaritra ho an'izay rehetra mankalaza. Ity no anisan'ny fety milay indrindra misy aty amin'ny tanàna.
Favorite day ? in the name of their loyalty ?? #KukurTihar #HappyTihar ? pic.twitter.com/V049PxtIvl
— Sristi?Ratan Singh (@ShristiSr) October 18, 2017
Andro tiako indrindra. Amin’ny anaran’ny fahamendrehan’izy ireo.
Nizara ny vavaka (“puja”) nataony niaraka tamin’ireo alika ihany koa ny olona:
Video from Todays ceremony of Kukur(Dog) Tihar. #Tihar #nepal #NationalDogDay pic.twitter.com/OL1aAmaj8U
— Himanshu-Kun (@19himanshu) October 18, 2017
Lahatsary avy amin'ny lanonan'ny Kukur (Alika) Tihar androany.
Reverence to every creature is the basic norms of Hindu mythology. Today is the day of Dog in Nepal. Happy ‘Kukur Tihar’ (Dog worshiping) pic.twitter.com/BGW1H2OE10
— Girish Giri (@Birgunj) October 18, 2017
Ny fanajana ny zavaboary tsirairay no fenitra fototra amin'ny angano Hindoa. Androany no andron'ny Alika ao Nepal. Mirary ‘KukurTihar’ sambatra (fanompoam-pivavahana amin'ny alika)
Nanararaotra nankalaza azy io niaraka tamin’ny biby fiompiny koa ireo tompon'alika sasany avy any an-toeran-kafa eto amin'izao tontolo izao:
My family (@dahalalish @kellyjellymua) celebrates #Diwali – especially #KukurTihar with my puppy niece Pepper! ?❤️ #Nepal pic.twitter.com/tlyiyCr9Oy
— Kristi Stark (@krististark) October 19, 2017
Ankalazain'ny fianakaviako (@ dahalalish @ kellyjellymua) ny Diwali – indrindra ny Kukur Tihar miaraka amin'ny zanakalikan'ny ray tampo amiko, Pepper!
Happy Kukur Tihar, the holiday of any nationality, ethnicity, or religion most venerating our canine friends. #KukurTihar @darth @dog_rates
— (((Mathew Helman))) (@MatHelman) October 19, 2017
Mirary Kukur Tihar sambatra, ilay fialantsasatry ny firenena, foko, na finoana rehetra midera an’ireo alika namantsika.
Raha mba nisy fihetsika maneho fitiavana toy izany foana moa natao tamin’ny alika mandavan-taona, hoy ny fandinihana nataonà tetikasa iray mpikarakara biby ao Nepal:
Miyu, an abandoned deaf dog, now adopted and enjoying the festival 🙂
Let us give dogs the love and care they deserve, all year around ❤ pic.twitter.com/LbDljA2vT0
— Project Humane Nepal (@PHNepal) October 18, 2017
Miyu, alika marenina navelan’ny tompony, ankehitriny efa noraisinay ary mankafy ilay fetibe 🙂
‘Ndeha isika hanome ny fitiavana sy fikarakarana mendrika ny alika mandavan-taona.