- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Afrikana Nanoratra Bilaogy Tamin'ny Herinandro Talohan'ny 9 Jan 2006

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

Lahatsoratra nosoratana tamin'ny 9 Janoary 2006

Heri ya Mwaka Mpya (Taombaovao amin'ny fiteny Kiswahili).

Zavatra tsara ny famonjàna vao haingana  an'ilay lehilahy anglisy 56 taona any Angletera noho ny fanararaotany ara-nofo ireo ankizy taty Afrika, hoy ny soratr'i Black Looks. Fa na izany aza dia ahiany ny fisamborana io olona mahatsiravina io sao hijanona ho tranga maningana aty Afrika ihany satria ” ankizy an-tapitrisany no iharan'ny fanararaotana tahaka izany nefa tena vitsy ny isan'ny fanenjahana” [1].

Miaiky i Kamundulio [2] fa miantehitra amin'ny famakiana ireny boky sy gazetibokim-pandraharahana ireny, satria tsapany fa io fahazarana io dia mifototra amin'ny filàna vaovao. Soratany ny fomba ataony hiantohany ny fahazoana mividy boky ary ” tsy mampaninona izay halafon'ilay boky”  [3]ary mikaroka fanampiana hialàna amin'ilay fiankinandohany izy.

Maimaimpoana na mora vidy ny fomba fanabeazana aizana ho an'ny kenyana maro nefa mbola misy ireo vehivavy sasany sy ireo lehilahy no mampiahaka ny tenany ho trà-doza amin'ny  aretina azo amin'ny firaisana ara-nofo sy ny fitondrana vohoka, hoy ny soratr'i  au lait [4]  ao amin'ilay lahatsoratra tsotra sy mazava mitondra ny lohateny hoe No Glove, No Love ( Tsy misy Fiarovana, Tsy misy Fitiavana).

Manoratra momba ny tsindry mahazo an'ireo vehivavy mainty hoditra izay tafasondrotra amin'ny toerana ambony mba hahomby ny Vehivavy Afrikana Iray [5]satria natao ho ’solontenan'ny vehivavy rehetra ry zareo, mitondra ny vintan'ny vehivavy rehetra eny an-tànany’ . [6]Raha tsy mahomby ry zareo, dia ‘mamela ny vehivavy rehetra hietry’ sady ‘manala baraka ny vehivavy rehetra’ noho izany mandroba ny “zon’ireo vehivavy ireo ho diso indraindray” sy “ny zo tsy ho tonga lafatra”

Manoratra tantara iray fampitandremana momba ny fomba nisandohana ny adiresy imailaka misy ny adiresy IP-ny i Mama JunkYard [7]  sady mitantara amin'ny antsipirihany ao anatin'ny fahasorenana ny fepetra noraisiny mba hiatrehana ny fisandohana imailaka – trangan-javatra izay lazainy fa ’fanakorontanana fandraharahana hatraiza hatraiza’ [8]

Motherhood's a Breeze : lahatsoratra  nosoratan'i Mama Wangari,  [9]mitantara ny olana mitranga tsy ela akory eo aminy sy ny mpiara-miasa aminy rehefa niverina niasa izy fa avy niteraka.

Tamin'ny fanambaràna tamin'ny taombaovao, Wambui [10], izay eo amin'ny faha-16 taonany, mpikambana tanora indrindra ao amin'ny bilaogy Kenyana Webring, dia nanapaka hevitra  ‘am-pahibemaso fa handray anjara amin'ny ady amin'ny fahantrana sy ny SIDA’  [11]Tsara izany ry Wambui ary mahavità soa.