- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goyana: Fitantarana Hafa Tamin'izay Zava-nitranga Nandritra ny Fampisehoan'i Akon

Sokajy: Karaiba, Goiana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 8 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niteraka resabe tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Goyaney [1] ny herinandro lasa teo, ny lahatsary iray nahitana ilay mpihira hip-hop [2] Akon [3] nidaroka tanora tovovavy mpankafy iray nandritra ny fihetsika tao anaty vahoaka tamin'ny fampisehoana Carifesta [4] tao Goyana [5].

Nanomboka tamin'izay, namoaka  ny lahatsary momba ilay zava-nitranga ihany koa ny Sampan-draharahan'ny Fifandraisam-bahoaka [6] an'i Akon, izay nalaina tamin'ny zoro hafa, ary nanaporofo hoy izy ireo fa tsy meloka ilay mpanakanto (toa namihina ilay zazavavy i Akon rehefa nifarana ny fisavoritahana).

Ity ny lahatsary feno mampiseho ny zava-nitranga:

Naneho hevitra momba ny zava-nitranga ihany koa ny mpikarakara fampisehoana Goyaney hamaliana ireo bilaogera maro:

Nous sommes outrés d'entendre que circule une vidéo suggérant qu'Akon aurait maltraité une fan pendant le concert du 30 septembre au Guyana. Aucun rapport d'incident ne découle de cet événement. Bien qu'il ait commencé en retard, ce concert a été un énorme succès et nous souhaitons vivement le retour d'Akon.

Tohina izahay raha nandre fa niparitaka ny lahatsary milaza fa nidaroka zazavavy mpankafy iray i Akon nandritra ny fampisehoana tamin'ny 30 septambra tao Goyana. Tsy nisy tatitra fitarainana momba ny tranga tamin'ity lanonana ity. Nahitana fahombiazana lehibe ity fampisehoana ity na dia efa tara aza vao nanomboka izany ary tena manantena ny mbola hiverenan'i Akon indray izahay.

Na teo aza izany rehetra izany, tsy niova hevitra i Living Guyana [7], iray amin'ireo bilaogera nahazo ity valiny ity:

Eh bien oui, évidemment, il n'y a aucun rapport d'incident alors que des milliers de personnes ont vu Akon frapper ces deux jeunes femmes. Et puis, est-ce que l'on devrait accepter qu'il les ait frapper au visage, juste parce qu'il les a fait remonter sur la scène ensuite. Ceci est la façon d'agir d'Akon, d'abord il frappe et ensuite il s'excuse.

Eny, mazava ho azy fa tsy nisy tatitra momba ny tranga kanefa olona an'arivony no nahita an'i Akon nidaroka ireto tovovavy roa ireto. Ary avy eo, tokony hanaiky ve isika fa nasiany totohondry teo amin'ny tavany izy ireo, satria nampiakariny indray teny an-tsehatra izy ireo taorian'izay. Izany no fomban'i Akon, midaroka izy aloha ary avy eo miala tsiny .

Hitanareo ilay lahatsary; ambarao ny hevitrao manokana .