- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noivaivain'ny Praiminisitra Albaney ny Mpanao Gazety Ny Taorian'ny Nifidianan'ny Parlemanta Ny Fiarovana Ilay Mpanao Lalàna Tsy Ho Samborina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Pikantsary avy amin'ny  lahatsary  [1]navoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Praiminisitra Albaney.

Rehefa nifidy ny hiaro [2] ny mpikambana ao amin'ny parlemanta tamin'ny fisamborana azy noho ny fiampangana kolikoly ny solombavambahoaka Albaney dia nanararaotra izany ny Praiminisitra Edi Rama [3] mba hanakianana ireo mpanao gazety noho ny fitaterany ity raharaha ity vao haingana.

Lasa fantatry ny besinimaro ny fanadihadiana natao tamin'ilay mpikambana tao amin'ny parlemanta Saimir Tahiri [4], izay minisitry ny atitany teo aloha  rehefa nitsikafona ny fiampangana azy tamin'ny 16 Oktobra, izay nahavoarohirohy an'i Tahiri ho nampifandray azy tamin'ny andian-jiolahy mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina.

Mahazo tombontsoa tsy azo samborina ny mpikambana ao amin'ny parlemanta any Albania, ary tsy azo hanenjehana azy ireo ny raharaha ara-pitsarana sasany raha tsy nahazoana alalana avy amin'ny parlemanta. Nanao fangatahana tamin'ny parlemanta ny mpampanoa lalàna any Albania mba hisamborana an'i Tahiri, saingy  nolavin'ny [5]mpanao lalàna izany mba hiarovana an'i Tahiri tamin'ny 25 Oktobra.

Nomeny alàlana kosa ilay mpampanoa lalàna mba hanadihady an'i Tahiri, zava-misy izay nasongadin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena sasany tao amin'ny tatitra nataony. Lahatsoratra [6]iray avy amin'ny Associated Press, ohatra, dia nampiseho ny lohateny iray izay nilaza fa ” nanala ny fiarovana tsy azo hanadihadiana minisitra teo aloha ny antenimiera ho ny fanadihadiana.” Nifantoka [7]tamin'ny fandàvan'ny Parlemanta [8] ny fisamborana an'i Tahiri kosa tetsy andaniny ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao tao an-toerana.

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny fivorian'ny parlemanta, nanomboka naniratsira ireo mpanao gazety Albaney ny Praiminisitra Rama, niantso azy ireo ho “mahamenatra sy dondrona”. “Fahadisoanareo ny tsy namakianareo izany ary tsy azonareo akory ny zavatra novinakinareo, ary tsy te-hihaino izany zavatra rehetra izany aho, “hoy izy, araka ny Balkan Insight [2].

Nandà ny hamaly ny fanontanian'ireo mpanao gazety ny Praiministra ary nanendrikendrika azy ireo tamin'ny fampielezana vaovao faikany sy nilaza fa tokony hianatra momba ny andraikiny amin'ny maha mpanao gazety azy izy ireo, fa tsy hizara fifosana any amin'ny fantsona fampitam-baovao. Na dia nanamarika ny fampahalalam-baovao ho toy ny ‘vilany’ hatrany aza i Rama teo aloha, dia hita fa tena masiaka kokoa noho ny teo aloha izy.

Nameno ny tontolon'ny fampahalalam-baovao Albaney ny fifidianan'ny parlemantera hiarovana an'i Tahiri sy ny fanakianan'ny praiminisitra hatrany ny mpanao gazety hany ka tsy noraharahiana firy ny tatitra momba ny fahafatesan'ilay mpitrandraka 30 taona [9] tao Bulqiza [10] .

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter ilay mpanao gazety Artur Nura , nampifandray ny sioka nataony tamin'ny lahatsoratra nahitana lahatsary fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Rama:

Tsy mahafehy ny teniny i Rama amin'ny ambaratonga vaovao, manakiana sy manevateva mpanao gazety (lahatsary).

Namoaka fanambarana ampahibemaso [13] nanakiana ny fihetsik'i Rama ho “manambony tena sy manevateva, izay tsy mendrika mpanao politika ambony sy solontenan'ny governemanta, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Albaney (AJU).”

Ny sary famantarana ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Albaney (AJU).

Unioni i Gazetareve Shqiptare denoncon kete gjuhe dhe kete komunikim etiketues te Kryeministrit dhe apelon per nje qendrim refuzues te te gjithe anetareve te organizates sone dhe komunitetit profesional ne pergjithesi.
UGSH me indinjate deklarohet se kjo sjellje dhe ky komunikim fyes i kryeministrit kane nje lidhje dhe mbartin edhe pergjegjesine e madhe per gjendjen kritike ne te cilen gjenden gazetaret e sotem ne vend. Ne vleresojme se eshte pergjegjesia e Tij dhe e institucioneve te tjera ligjore qe gjate kesaj kohe informaliteti dhe shembja e vlerave profesionale po shnderrohen ne plage te medha, çdo dite e me teper ne jeten mediatike te vendit.

Miampanga ny teny manevateva sy ny voambolana nampiasain'ny Praiminisitra ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Albaney, ary miantso ny mpikambana rehetra ato amin'ny fikambanana sy ny vondrom-piarahamonina matihanina, amin'ny ankapobeny, mba hiaraka aminay amin'ny fandavana ny toe-tsaina toy izany.

Manamarika ny AJU , amim-pahatezerana, fa mifandray mivantana amin'ny toe-javatra sarotra izay atrehin'ny mpanao gazety eto Albania ny fihetsika  sy ny fanevatevana toy izany. Mino izahay fa mitondra ny andraikiny ho an'ny toeran'ny fampitam-baovao eto amin'ny firenena ny Praiminisitra sy ireo andrim-panjakana hafa, anisan'izany ny toe-draharaha manjavozavo izay ahitana ireo mpanao gazety maro terena hiasa tsy misy fifanarahana, sy ny fitotongan'ny soatoavina matihanina miantraika amin'ny fitomboan'ny isan'ny sehatra fampitam-baovao isan'andro ihany koa.

Nofaranan'ny fikambanana ny fanambaran'izy ireo tamin'ny fiantsoana ny mpanao gazety hanao ankivy ny asa ao amin'ny biraon'ny Praiminisitra ny zoma 27 Oktobra.

Na dia voafetra amin'ny fahafahany misafidy lohahevitra aza ny ankamaroan'ny mpanao gazety, noho ny faneren'ny tompon'ny fampitam-baovao, ny tsy fisian'ny fifanarahana sy ny tsy filaminana amin'ny asa dia mbola maro ihany no nitatitra ny raharaha. Nanafintohina ny Albaney ny fandàvan'ny Parlemanta hisambotra an'i Tahiri sy ny fanafihan'ny Praiminisitra ny fampitam-baovao tsy mbola nisy toy izany .