- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogin'ny Skoto Shiliana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: efa tamin'ny Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Aglisy)

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

Nanangana bilaogy ho varavarankely mampiseho ny asan'izy ireo ny sasany amin'ireo vondrona. Sekoly mpitari-dalana mandefa lahatsoratra momba ny lasim-pahavaratra farany ny Primo Works [1]. Namoaka [2] hira faneva sy tantara samihafa tamin'ny lasy kosa ny Fivondronana Skoto, Antu Ayekan.

Ny Fivondronana San Agustín [3] indray mampiseho sary sy torohay ho an'ny ray aman-dreny mikasika ny asan'izy ireo.

Bilaogin-tSkoto [4] tsy ofisialy iray, indray mikendry ho toeram-pihaonana ho an'reo skoto. Afaka mijery fanamarihana mikasika ny ahiahin'ny ray aman-dreny, fampahafantarana ireo fivondronana skoto isan-karazany, ary toerana mety hanaovana lasy lehibe ny tsirairay ao anatin'izany bilaogy izany..