- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampitàm-Pampianarana Amin'ny Alalan'ny Bilaogy

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manome hery ho an'ireo mpampianatra, izay tafasaraka amin'ny jeografian'i Shily [1] ireo blaogy miditra amin'ny sehatry ny fanabeazana, mba hifaneraserana amin'ny fomba izay tsy dia azo natao teo aloha.

Ny bilaogy “Educandonos” [2] dia mikasa hanome fomba fijery hafa sy ifarimbonana momba ny fampianarana ho an'ireo mpampianatra. Ny tanjon'izy ireo dia ny fampiasana bilaogy ho sehatra ifandraisana amin'ny fomba vaovao. Mampiseho torolalana [3] ho an'ny Sekoly Shiliana manana blaogy, sy ny lisitr'ireo [4] mpampianatra Shiliana manana bilaogy manerana ny firenena ihany koa ilay bilaogy. Mpampianatra ao Castro, nosy Chiloé [5] i Benjamin Pérez [6], izay nanoratra momba ny zava-niainany tany amin'ny faritany. Manasongadina bilaogy avy amin'ireo mpampianatra avy ao Coquimbo [7], Arica [8], Llanquihe [9] sy ny renivohitra Santiago, izay nanombohany ihany koa ny torolàlana.

Inona no vokatr'izany eo amin'ny mpianatra? Ao amin'ny anjerimanontolo manome mari-pahaizana aorian'ny fianarana enim-bolana, tarihan'ilay mpamorona Rodrigo Walker (ES) [10] sy ny vondrona manampahaizana [11] , nampidirina ny bilaogy ho loharano ho an'ny mpianatra mba hampitombo lanja amin'ny tolotrasan-dry zareo. Manana fahafahana hianatra, isa-dingana ny mpianatra, amin'ny fomba hananganana sy hitantanana bilaogy ary ny tombontsoa entin'ny fandravahana amin'ny  fananganana mari-panondroana iray. Mampiroborobo izany i Rodrigo Walker mba “hanova ny fizotry ny fanabeazana miainga amin'ny fahalalana mankany amin'ny fanatanterahana” ary mino koa izy fa ny “fomba tokana ahafahana mitondra fanovana amin'ny fanabeazana dia ny manova ny tokotany misy azy.” Efa hita sahady ny vokatra avy amin'ireo mpianatra miisa 27 ao anatin'ny fianarana: miatrika famaranana amin'ny fifaninanana amin'ny 3M ny iray amin'ireo mpianatra, misy ny tolotra hafa sy fifandraisana amin'ny mpanjifa amin'ny fampiasana bilaogy, ary ny hafa dia misahana manokana fivarotana mari-panondroana amin'ny alàlan'ny famoronana endrika bilaogy vaovao. Raha mila fanazavana bebe kokoa, dia tsindrio ato [12].