- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: Puncar Mampihena Ny Hantsana Nomerika

Sokajy: Taiwan (ROC), Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 6 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mianoka ambaratongam-pandrosoana tsara i Taiwan ary raha ampitahaina amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao ilay nosy dia heverina ho manana zo mitovy ihany ny mponina ao aminy. Saingy mbola lalina ny hantsana nomerika misy eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra. Tetikasa maro no miezaka manarina izany. Ny Tetikasa fampiasana indray sy fifanakalozana ireo solosaina efa niasa [1] (电腦 回收 轉贈 計畫) izay natsangana sy notontosain'ny sampan-draharaha Fiarovana ny Tontolo Ianinana [2] (行政院 環保署) dia manangona ireo solosaina tranainy ary manamboatra izany mba ho zaraina any ambanivohitra sy ny sekoly. Nanomboka nanomana atrikasa fampiofanana momba ny teknolojia vaovao any amin'ireo vondrom-piarahamonina sahirana ihany koa ny Vondrom-piarahamonina Nomerika [3] (數 位 好 厝 邊), natsangan'ny Orina Mpanasoan'ny Orinasa Chunghwa Telecom (中華 電信 基金會),.

Tsy ampy anefa ny manana solosaina sy fifandraisana amin'ny Aterineto fotsiny: mila mianatra ireo fahaizana fototra ampiasaina amin'ny teknolojiam-baovao ny olona.  Nanomboka hetsika vaovao antsoina hoe “Puncar [4]” (胖 卡) ny Fikambanana mampiroborobo ny kolontsaina nomerika ao Taiwan [5] (ADCT ) (台灣 數 位 文化 協會) mba hanampiana ireo olona mitoka-monina any amin'ny faritra ambanivohitra sy ireo foko vitsy an'isa mba hianatra hampiasa ny fitaovana amin'ny aterineto (bilaogy, Twitter, Google Maps, tambajotra sosialy toy ny Facebook, sns.) .

Manana fakantsary, solosaina, takela-masoandro, sns ity fiara efa tranainy 10 taona ity, na dia tsy afaka mihoatra ny 80-90 km/ora intsony aza izy. Tamin'ny volana Mey 2008,  nanentana atrikasa fampiofanana tany amin'ireo tanànakely lavitra sy ho an'ireo foko vitsy an'isa any atsimo sy atsinanan'i Taiwan ireo mpirotsaka an-tsitrapo nandritra ny faran'ny herinandro telo .

Nivory ireo mpandray anjara tamin'ny sokajin-taona rehetra

tao amin'ny foiben'ny kaominina fanaovana atrikasa fampiofanana

Nitatitra momba ny atrikasa tao amin'ny bilaoginy [6]ny mpianatra iray, A-shan (阿珊):

徐兄在台上跟大家解釋著部落格是什麼…怎麼弄…又如何使用。
[…]
伯伯轉動著滑鼠…重覆著剛才課程內容,讓自己進步每一分鐘。

Nandray fitenenana teo amin'ny lampihazo i Tim (talen'ny ADCT) ary nanazava ny atao hoe bilaogy, ny fampiasana izany sy ny zavatra azo atao aminy. […] Nanetsika ny ‘totoziny’ ireo mpandray anjara ary  namerina izay naseho azy ireo sy niezaka nanatsara izany tsikelikely.

Nanoratra momba ny traikefany [7] tamin'ny tetikasa Puncar i Philsu (阿寬), mpirotsaka an-tsitrapo izay nanatevin-daharana ny asa nandritra ny herinandro faharoa:

在跟小朋友互動的舉手投足、言語交流間,
體會了好多好多事情。
那是一種內在性的衝擊,撞擊著自己習慣性的思考,
進而延伸出好多的問題跟反思。
哪怕只是短短數小時的相處,
哪怕我們只是將簡單的網路地圖&部落格使用方法帶給你們,
但我似乎獲得了更多的東西。

Nianatra zavatra maro tokoa aho rehefa nifandray tamin'ireo ankizy ireo. Nanova ny fahazarako sy ny fomba fijeriko ilay zavatra niainako, ary nahatonga ahy nanontany tena imbetsaka. Ora vitsivitsy monja no niarahanay tamin-dry zareo, tamin'ny fampianarana azy ireo ny fampiasana ny sarintany antserasera sy ny bilaogy, kanefa raha ny marina dia ry zareo no tena nampianatra ahy zavatra maro.

Namoaka antserasera ny sariny rehetra tao amin'ny rakitsary Flickr [8] i Qweaz (陳 力), mpamily sady mpakasarin'ny tetikasa Puncar.

Nanoratra [9]tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa Puncar i Tim Shyu (徐 挺 耀), talen'ny ADCT:

部落格行動車將集結優秀及熱情的師資人才,設計活潑實用的網路教學課程,以實際走 訪的方式,運用該社區已有的硬體設備,協助解決「軟體」上的不足。並進一步發掘各偏遠地區的經濟特色,給予資訊科技方面適合的建議與支援的可能。

Handray mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika sy za-draharaha maro ny Puncar  mba hampivelatra ny atrikasa fampiofanana amin'ny Aterineto ho mahaliana kokoa miaraka amin'ny fitaovana mora ampiasaina kokoa. Nitsidika tanànakely samihafa izahay, nampiasa ireo fitaovana efa nisy ary nanampy tamin'ny famahana ny olan'ny fampiofanana tamin'ny aterineto. Mandritra ny fitsidihana, hanombatombana ny toerana ara-toekarena ao amin'ireo faritra ambanivohitra ny Puncar ary hanolotra vahaolana ara-teknolojia sy fanampiana mifanaraka amin'izany.

Haharitra telo taona farafahakeliny ny tetikasa Puncar. Rehefa vita ny fisidinana voalohany ny volana May dia hiverina indray izahay amin'ny volana Jolay. Raha mila fanazavana bebe kokoa dia azonao atao ny manontany ny ADCT amin'ny: admail.npo arrobase gmail.com.

 Navoaka tamin'ny alàlan'ny lisansa Creative Commons ny sary rehetra