- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongà : Nampangaina Ho Nifehy Ny Haino Aman-jerin'ny Fanjakàna Mialoha Ny Fifidianana Ny Governemanta

Sokajy: Oseania, Tonga, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Foiben'ny Tonga Broadcasting Commission niorina tamin'ny 1961. Sary nampakarin'i Makutu ho ao amin'ny Wikipedia – Nafindran'i RoyFocker 12 avy amin'ny en.wikipedia ho amin'ny Commons tamin'ny fampiasàna ny CommonsHelper. Sehatra ho an'ny daholobe.

Nieraka sahoan-drsaka be ny hoe nihamafy ny fifehezan'ny governemanta ao Tonga ny haino aman-jery tohanan'ny fanjakana, taorian'ny fanavaozana ny Komitin'ny Tonga Broadcasting  Commission (TBC [2]). Nafindra tampoka any amin'ny departemantan'ny varotra sy ny haivarotra i Laumanu Petelo , tonian-dahatsoratry ny vaovao sy i Viola Ulakai, talen'ny filazàm-baovao. Nifanandrina tamin'ny Praiministra Akilisi Pohiva izy roa ireo rehefa nampangain'ity farany fa lasa fahavalon'ny  [3] governemanta ny TBC.

Nantitranterin'ny Praiministra fa tokony hanohana ny fandaharanasan'ny governemanta ny TBC, sady nampitandremany fa azony atao ny manome baiko amin'ny fisintahan'ny fanjakana [4]aminy na hanidy ny tambajotrany.

Didy avy amin'ny lehiben'ny filankevi-pitantànana vao voatendry, Tu'i Uata, ny famindràna ireo tonian-dahatsoratra lehiben'ny tambajotra anankiroa ireo. Saingy nohamafisin'i Uata fa ny fatiantoka ara-bolan'ny TBC no antony nanafoanana ireo tonian-dahatsoratra ireo. Nampiany fa mety ho bankiropitra [5]ny TBC ao anatin'ny roa volana raha tsy nisy ilay fanavaozana.

Fa hizingizinin'ny mpisolovava an'i Petelo sy Ulaka fa ao anatin'ny drafitr'asan'ny governemanta hifehezana [6] ny TBC, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana solombavam-bahoaka kasaina hatao ny 16 Novambra ny fanavaozana ao amin'ilay trano famoaham-baovao.

Namoaka  [7] lahatsoratra mitovitovy hevitra amin'izany ny vondron'ny haino aman-jery tsy miankina Matangi Tonga Online :

Tena mazava be fa raisin'ny governemanta tanteraka ny fifehezana ny fampielezam-peom-panjakana  mialoha ny fifidianana solombavam-bahoaka hatao amin'ny 16 Novambra, ampiarahana amin'ny fanapahan-doha ireo sampan-draharahan'ny filazam-baovao.

Nampian'ny Matangi Tonga Online fa ” nopotehin'ny filoha vaovao mpitarika ny TBC ny zon'ny TBC hiasa ho fampielezam-peom-panjakana mahatoky.” Nolaviny ihany koa ny hevitra fa tsy maintsy manohana an-jambany ny politikan'ny governemanta ny TBC :

Andrana tsy iadian-kevitra mba hamadihana ny alika mpiandry tanàna ho alika  mpilelaka izany.

Miala tanteraka amin'ny tanjona ny lahateny tsara lahatr'ireo solotenam-panjakàna hoe “tokony hanohana ny governemanta” ireo fandrakofam-baovaon'ny TBC, satria orinasam-panjakàna izy. Tsy misy mpanao gazety matihanina mazoto hiasa ambany rafitra fifehezana politika tahaka izany.

Nampatsiahiviny ny governemanta ihany koa ny iraka ampanaovina ny TBC amin'ny maha-fampielezampeom-panjakana azy :

Tsy miankina amin'ny dokam-barotra sahala amin'ny fampielezam-peo ara-barotra ny fampielezam-peom-panjakàna. Izany dia hahafahan'ny fampielezam-peom-panjakana mampita ireo fandaharana izay tsy ho tafa mihitsy ara-barotra ho any  amin'ny tsenam-bahoaka, toy ny fandaharana momba ny fanehoana ny raharaham-panjakana voalanjalanja tsara, fanadihadihana amin'ny fampielezam-peo sy fahitalavitra ary ireo fandaharana manabe izay raha tsy amin'io dia tsy ho afaka  vokarina.

Mandritra izany fotoana izany, ny Pacific Freedom Forum (PFF) dia namporisika  [8] ny governemantan'i Tonga hanaja ny fahalalahan'ny haino aman-jery :

Mila atsahatry ny governemanta ny fampiasana ireo antsoina hoe fatiantoka ho toy ny fialantsiny hampiharana ny fanovàna manasazy mikendry ny hanafoanana ny trano famoaham-baovao sy ny fitantanana any amin'ny iray amin'ireo fampielezam-peom-panjakana fototra any amin'ny faritra.

Andraikitra fototry ny fampielezam-peon'ny Fanjakàna, izay tsy miatrika ireo tsindry momba ny tombombarotry ny fampielezam-peo ara-barotra, ny mampahafanatra ny vahoaka ny zava-mitranga amin'ny hetran'izy ireo.

Lazain'ny  [8] Talen'ny PFF, Monica Miller hoe “mpisavalàlan'ny asa fanaovan-gazety aty Pasifika” ireo vehivavy roa tonian-dahatsoratry ny TBC :

Ketraka tamin'ny filalaovana ireto vehivavy roa mpanao gazety izay tsy nanao afa-tsy ny asa fanaovan-gazety ireto ireo  mpiara-miombon'antoka, na aiza na aiza, amin'ny haino aman-jerin'i Pasifika.

Laumanu sy Viola no mpisavalàlana mpitarika amin'ny asa fanaovan-gazety  any Pasifika izay tsy matahotra ny mametraka fanontaniana henjana, ary mbola mametraka ny zon'ny vahoaka hahalala mialoha. Am-pitiavana no anaovan'izy ireo ny zavatra ataony sy iatrehany ireo sakana ara-kolontsaina ary ireo fitsaratsaram-poana atao amin'ny vehivavy any amin'ny trano famoaham-baovao any Pasifika nandritra ny am-polo taona maro.

Nomarihin'ny vondron'ny haino aman-jery any amin'ny faritra fa misy didy manohana ny fahalalahan'ny fanehoankevitra ny lalàm-panorenan'i Tongà. Nandrisika ny governemantan'i Tongà io vondrona io  mba hiresaka amin'ny haino aman-jery mba handamina ireo olana mikasika ny tatitra tsy marina sy ny sivana fa tsy hampiasa fihetsika famaizana.