- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: ​​ Nosaloran'ny Gazetiboky Glamour Ho Vehivavin'ny Taona (2006) I Somaly Mam

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 13 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miasa mafy i Somaly Mam [1]. Miasa mafy izy mba hiatrehana ny lasany. Nandritra ny fahazazany, niaina fanolanana, fampijaliana ary herisetra izy. Nanangana ny ONG AFESIP [2] (Agir pour les Femmes en Situation Précaire) tany Kambodza niaraka tamin'ny vadiny Pierre Legros izy tamin'ny taona 1997, firenena iray ahitana izay anisan'ny olana goavana indrindra ny fanondranana olona an-tsokosoko. Tamin'ny volana Oktobra 2006, amin'ny maha-mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Kambodziana azy nanokana ny fiainany hamonjy ny vehivavy sy ny zazavavy amin'ny fanandevozana ara-pananahana dia nomem-boninahitra ilay vehivavy 35 taona ho iray amin'ireo vehivavin'ny taona [3] tao amin'ny gazetiboky Glamour nandritra ny fanolorana tao amin'ny Carnegie Hall tao an-tanàndehiben'i New York.

Manana rohy maromaro mankany amin'ireo bilaogin-dahatsoratra ao amin'ny tranonkala [4] momba ny vaovao mikasika ilay mpikatroka miady amin'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny ‘Details are Sketchy,’ bilaogy iray momba ny zava-drehetra ao Kambodza.

Without a doubt, if somewhat belatedly, a huge congratulations goes to Somaly Mam, co-founder of the NGO Afesip, who was recently awarded the title of Women of the Year by Glamour magazine.

Tsy misy isalasalana, raha tsy hoe somary tara, fa nisy ny fiarahabana lehibe ho an'i Somaly Mam, mpiara-manorina ny ONG Afesip, izay vao avy nosalorana ny anaran'ny Vehivavin'ny Taona avy amin'ny gazetiboky Glamour.

Namoaka lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe ‘Fankasitrahana ho an'i Somaly Mam’ [5] i Andy Brouwer, izay monina any Angletera, ary manoratra momba ireo olo-malaza tao Kambodza ao amin'ny Andy's Open Door. Mivaky toy izao ny ampahany tamin'izany :

The latest news is that Somaly Mam was yesterday awarded a prestigious Woman of the Year Award by the US magazine Glamour at a ceremony in New York. The statement from Glamour reads: “Somaly Mam is an inspiration to women around the world. She overcame horrific childhood abuse and has devoted her life to rescuing other girls from similar fates. She's bringing the issue of sexual slavery to the attention of the world, thus giving the hundreds of thousands of children who are currently enslaved in brothels a real shot at a better life.”

Ny vaovao farany dia notolorana tamim-panajana ny Lokan'ny vehivavin'ny Taona i Somaly Mam omaly avy amin'ny gazetiboky Amerikana Glamor tao amin'ny lanonana iray tany New York. Mivaky toy izao ny fanambarana avy amin'i Glamour : ” Fitaomam-panahy ho an'ny vehivavy manerana izao tontolo izao i Somaly Mam. Noreseny ny fanararaotana nahatsiravina nandritra ny fahazazany ary nanokana ny fiainany hanavotana ireo zazavavy hafa iharan'izany ihany koa izy. Nitondra ny olan'ny fanandevozana ara-pananahana hisarihana ny sain'izao tontolo izao izy, ka izany no manome fiainana tsara kokoa ho an'ireo zaza an'hetsiny handevozina amin'izao fotoana izao any amin'ny trano fivarotan-tena. “