- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Rivo-doza Mahery’ Mandrahona An'i Japana, sy ny Fifidianana Japoney

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Voina
typhoon 21 [1]

Ny toerana misy ny Typhoon (rivo-doza) 21, “rivo-doza mahery”, ny alakamisy hariva, 20 Oktobra. Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube ofisialin'ny ANN. [1]

Satria handatsa-bato i Japana amin'ity herinandro ity hifidy amin'ny fifidianana ankapobeny [2], malaza ao amin'ny Twitter ny tenirohy #超大型台風 [3] (“rivo-doza mahery”). Taorian'ny herintaona nisian'ny oram-batravatra tsy misy fiafaràna [4] izay namoizana ain'olona am-polony manerana ny firenena, hiatrika vanintaona farany amin'ny rivo-doza mahery [5] i Japana ary misy ny tahotra fa hikorontana  [6]ny fifidianana amin'ny Alahady 22 Oktobra.

Sampana Famantarana ny Toetr'andro ao Japana. Miezaha mifidy aloha be! Mihamanatona ny rivo-doza mahery!
http://www.sankei.com/politics/news/171020/plt1710200056-n1.html [10]

Rivo-doza mahery faha- 21 amin'ny vanintaona 2017 ity araka ny voarakitry ny Sampana Famantarana ny Toetr'andro ao Japana [11], ary fantatra amin'ny anarana hoe Typhoon Lan [12] amin'ny fampahalalam-baovao amin'ny teny Anglisy [12]. Ny maraimben'ny asabotsy 21 oktobra, namakivaky ny avaratra nanomboka tao amin'ny Ranomasin'i Filipina nankany amin'ny vondronosy Japoney  [13]ny rivo-doza

Mpampiasa Twitter amin'ny solon'anarana “Fitsidihana Irery an'i Korea” (@韓国ひとり旅 [14]) namoaka sary vaovao misy ny lalan'ny rivo-doza farany, sy ny fiantraikan'ny rivo-mahery amin'ny fandaran'asan'izy ireo:

Nieritreritra ny hitsidika an'i Korea Atsimo aho raha indro nipoitra ny rivo-doza mahery. “Ho ratsy izany,” hoy aho any an'eritreritro any ka nanafoana ny programako aho, nanemotra izany andro maromaro aty aoriana.

Araka ny tombatombana, hiditra ao atsimo-andrefan'i Tokyo [17] ny rivo-doza, ary avy eo dia mianavaratra mankany amin'ny morontsiraka Pasifika.

Voambolana ampiasaina amin'ny rivo-doza izay mahatratra hatramin'ny 65 m/s (150 mph), ny “Super-typhoon [18]” ary mitovy amin'ny Saffir-Simpson sokajy 4 na sokajy 5 [19]amin'ny tafio-drivotra ao Atlantika.

Ny volana septambra, tafio-drivotra sokajy 5, Irma [20] sy Maria [21] no namely an'i Dominika, Md Martin, ny Nosy Virijiny Amerikana, Pôrtô Rikô ary faritany hafa tany Karaiba, ka niteraka fahasimbana sy faharavana [22]. Misy ny tahotra ny mety hisian'ny faharavana ao Japana .

Nisy nizara imbetsaka tao amin'ny Twitter ny sary iray navoakan'ny Okinawa Times voalohany [23], ary manazava ny maha goavana an'ilay rivo-doza – mety hanarona an'i Japana amin'ny fotoana rehetra ny rivo-mahery:

Sary eo ankavia: “Rivo-doza midadasika – tana 500 km”
Sary eo ankavanana: “Rivo-doza  mahery – tana 800 km”

Ny rivo-doza faha- 21 no “rivomahery goavana” voalohany hita tao anatin'ny roa taona. Efa enin-taona izao no nahitana rivo-doza mahery namely ny firenena.

Raha toa ka andrasana amin'ny Alatsinainy 23 Oktobra ny tena fiantraikan'ny rivo-doza, misy kosa ny tahotra fa hisy fiantraikany amin'ny fifidianana [27] amin'ny Alahady ny tafiodrivotra lehibe.

Toetr'andro ratsy andrasana manerana an'i Japana mandritra ny andro fifidianana, mety hampihena ny latsa-bato.

Amin'ity fifidianana ity, mila mampahavitrika ny mpifidy azy ireo antoko mpanohitra vaovao any Japana. Misy antoko mpanohitra vaovao tanteraka miisa roa [2] mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny Alahady.

Iray amin'ireo antoko, ny Antoko Demaokrasia Ara-dalàmpanorenana ao Japana progresista sy ankavia [29], izay nisongadina laharana faharoa  [30]tamin'ny fitsapan-kevitra, ary niangavy an'ireo mpanohana azy mba hivoaka sy hifidy raha mbola afaka manao izany:

Miangavy ny rehetra izahay mba hivoaka sy hifidy vao maraina. Ary mitandrema eny an-dalana rehefa mankany amin'ny biraom-pifidianana. #Antoko_Demaokrasia_Ara_dalàmpanorenana

Lahatsoratra: namoaka fanairana tsy fahita mahazatra ny sampan-draharaha famantarana ny toetrandro: “Mandehana mifidy mialoha” satria miha manatona ny rivo-doza mahery.