Satria handatsa-bato i Japana amin'ity herinandro ity hifidy amin'ny fifidianana ankapobeny, malaza ao amin'ny Twitter ny tenirohy #超大型台風 (“rivo-doza mahery”). Taorian'ny herintaona nisian'ny oram-batravatra tsy misy fiafaràna izay namoizana ain'olona am-polony manerana ny firenena, hiatrika vanintaona farany amin'ny rivo-doza mahery i Japana ary misy ny tahotra fa hikorontana ny fifidianana amin'ny Alahady 22 Oktobra.
気象庁「早く期日前投票に行け!超大型台風が来るぞ!」 https://t.co/a927kxvWYr pic.twitter.com/Uyb8lBPTcf
— A-Zアンテナ (@AZ07988830) October 21, 2017
Sampana Famantarana ny Toetr'andro ao Japana. Miezaha mifidy aloha be! Mihamanatona ny rivo-doza mahery!
http://www.sankei.com/politics/news/171020/plt1710200056-n1.html
Rivo-doza mahery faha- 21 amin'ny vanintaona 2017 ity araka ny voarakitry ny Sampana Famantarana ny Toetr'andro ao Japana, ary fantatra amin'ny anarana hoe Typhoon Lan amin'ny fampahalalam-baovao amin'ny teny Anglisy. Ny maraimben'ny asabotsy 21 oktobra, namakivaky ny avaratra nanomboka tao amin'ny Ranomasin'i Filipina nankany amin'ny vondronosy Japoney ny rivo-doza
Mpampiasa Twitter amin'ny solon'anarana “Fitsidihana Irery an'i Korea” (@韓国ひとり旅) namoaka sary vaovao misy ny lalan'ny rivo-doza farany, sy ny fiantraikan'ny rivo-mahery amin'ny fandaran'asan'izy ireo:
来週の週明けに訪韓しようと思っていたら超大型台風の来襲だと。
こりゃあいかんと思いキャンセルし、改めて数日後の予約が完了しました。 pic.twitter.com/5lIED6SkuA— 韓国ひとり旅 (@momotaro18661) October 21, 2017
Nieritreritra ny hitsidika an'i Korea Atsimo aho raha indro nipoitra ny rivo-doza mahery. “Ho ratsy izany,” hoy aho any an'eritreritro any ka nanafoana ny programako aho, nanemotra izany andro maromaro aty aoriana.
Araka ny tombatombana, hiditra ao atsimo-andrefan'i Tokyo ny rivo-doza, ary avy eo dia mianavaratra mankany amin'ny morontsiraka Pasifika.
Voambolana ampiasaina amin'ny rivo-doza izay mahatratra hatramin'ny 65 m/s (150 mph), ny “Super-typhoon” ary mitovy amin'ny Saffir-Simpson sokajy 4 na sokajy 5 amin'ny tafio-drivotra ao Atlantika.
Ny volana septambra, tafio-drivotra sokajy 5, Irma sy Maria no namely an'i Dominika, Md Martin, ny Nosy Virijiny Amerikana, Pôrtô Rikô ary faritany hafa tany Karaiba, ka niteraka fahasimbana sy faharavana. Misy ny tahotra ny mety hisian'ny faharavana ao Japana .
Nisy nizara imbetsaka tao amin'ny Twitter ny sary iray navoakan'ny Okinawa Times voalohany, ary manazava ny maha goavana an'ilay rivo-doza – mety hanarona an'i Japana amin'ny fotoana rehetra ny rivo-mahery:
【朗報】台風21号、2年ぶりの『超大型』へと成長。超大型台風の上陸は6年ぶりの快挙。
台風情報=気象庁予報部(位置) https://t.co/UwIF2Zpx51 pic.twitter.com/VBh8GY2jhm
— 台風ナマズんJC2号? (@NAMAZUrx) October 20, 2017
Sary eo ankavia: “Rivo-doza midadasika – tana 500 km”
Sary eo ankavanana: “Rivo-doza mahery – tana 800 km”Ny rivo-doza faha- 21 no “rivomahery goavana” voalohany hita tao anatin'ny roa taona. Efa enin-taona izao no nahitana rivo-doza mahery namely ny firenena.
Raha toa ka andrasana amin'ny Alatsinainy 23 Oktobra ny tena fiantraikan'ny rivo-doza, misy kosa ny tahotra fa hisy fiantraikany amin'ny fifidianana amin'ny Alahady ny tafiodrivotra lehibe.
Miserable weather expected across much of Japan for Election Day, possibly depressing vote even further.
— SNA Japan (@ShingetsuNews) October 21, 2017
Toetr'andro ratsy andrasana manerana an'i Japana mandritra ny andro fifidianana, mety hampihena ny latsa-bato.
Amin'ity fifidianana ity, mila mampahavitrika ny mpifidy azy ireo antoko mpanohitra vaovao any Japana. Misy antoko mpanohitra vaovao tanteraka miisa roa mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny Alahady.
Iray amin'ireo antoko, ny Antoko Demaokrasia Ara-dalàmpanorenana ao Japana progresista sy ankavia, izay nisongadina laharana faharoa tamin'ny fitsapan-kevitra, ary niangavy an'ireo mpanohana azy mba hivoaka sy hifidy raha mbola afaka manao izany:
お早めの投票をお願いします!お気をつけてお出かけください。#立憲民主党
気象庁が異例呼びかけ「事前に投票を」 超大型台風接近:朝日新聞デジタル https://t.co/96FAQObZzR— 立憲民主党 (@CDP2017) October 21, 2017
Miangavy ny rehetra izahay mba hivoaka sy hifidy vao maraina. Ary mitandrema eny an-dalana rehefa mankany amin'ny biraom-pifidianana. #Antoko_Demaokrasia_Ara_dalàmpanorenana
Lahatsoratra: namoaka fanairana tsy fahita mahazatra ny sampan-draharaha famantarana ny toetrandro: “Mandehana mifidy mialoha” satria miha manatona ny rivo-doza mahery.