- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Shiliana: Inona no Nitranga Tamin'ny Bilaogy Ara-politika?

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanoratra [1] i Roberto Arancibia, bilaogera fanta-daza ao Shily fa folo andro sisa dia ho tonga ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera ary tokony hafampàna ny bilaogy politika, saingy … .nahoana no tsy izany ry zareo?

Manaiky ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra [2]fa tsy hitan'ny daholobe na hoe koa “sangany” ny bilaogy. Nilaza [2] i Maria Elena fa “tsy liana amin'ny politika ny tanora”, raha mihevitra kosa i Christian [3] fa tsy dia manana tohan-kevitra resahana ny kandidà, ka tsy mila mampiasa bilaogy izy ireo.

“Mampiasa ny bilaogin'izy ireo ny mpanao politika mba handefa lahateny sy filazana an-gazety”, hoy [4] i Angela. Ary Pato M indray nilaza [5] fa “satria faran'ny taona izao”.

Mihevitra i Carlos Valencia [6] fa mahazatra ny mpanao politika no tara amin'ny famaliana ireny revolisiona kely ireny. Nilaza izy sy Nadia [7] fa tsy misy kandidà manome demaokrasia ifarimbonana tena izy, raha nanoritra kosa i Carlos [8]  fa tsy maintsy “manao famahoana ny demaokrasia” isika.

Ny ankamaroan'ny kabary politika dia momba ny demaokrasia ifarimbonana, saingy nahoana izy ireo no tsy mampiasa bilaogy ho sehatry ny politika ifarimbonana?