- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fianakaviana Goatemalteka: Doña Maria

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Saripika, Teratany, Vonjy Voina

(Marihina fa tamin'ny 14 Novambra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Doña Maria nataon'i James Rodriguez [1]

Doña Maria, the family matriarch as noted by her white huipil (embroidered blouse) sits proudly in her kitchen.

Mipetraka am-pireharehana ao an-dakoziany i Doña Maria, fianakaviana matriarka araka ny hita eo amin'ny huipil (akanjo misy petakofehy) fotsy .

Iray amin'ireo mpianakavy avy amin'ny vondrom-piarahamonina Maya Ixil any amin'ny faritra avo any Goatemalà izay nasongadina tao amin'ny sary fanadihadiana vao haingana nataon'i Rodriguez i Doña Maria. Tao amin'ny pejin'ny pikantsariny Flickr [2]:

During the devastating 36-year civil war which Guatemala suffered from 1960 to 1996, people from the so-called Ixil triangle suffered perhaps the worst atrocities. Dozens of systematic massacres ravaged the area and thousands were displaced internally, some spilling over the border into Mexico.

Today, ten years after the peace agreements were signed between the government and the guerrilla groups, like most other Guatemalan regions, Nebaj is attempting to go forward with war reparations programs established by the accords. Unfortunately, there are those who would benefit from avoiding such implementations.

The following Ixil family has received direct anonymous threats for its involvement in campaigns seeking social reforms.

Nandritra ny ady an-trano nandravarava nandritra ny 36 taona izay niaretan'i Guatemala nanomboka tamin'ny taona 1960 ka hatramin'ny taona 1996, niaritra ady nahatsiravina indrindra angamba ny olona avy ao amin'ilay antsoina hoe telolafy Ixil . Famonoan'olona am-polony maro nifanesy no namotika ny faritra ary olona an'arivony no nafindra toerana anatiny ary niely nanerana ny sisintanin'i Meksika ny olona sasany.

Ankehitriny, folo taona taorian'ny nanaovana sonia ny fifanekena momba ny fandriampahalemana nataon'ny governemanta sy ny vondrona mpiady anaty akata dia miezaka mandroso amin'ny fanarenana ny fandaharan'asa izay napetraky ny fifanarahana i Nebaj tahaka ny ankamaroan'ny faritra hafa ao Guatemala. Indrisy anefa fa misy ireo izay mahazo tombontsoa amin'ny fanakanana ny fanatsarana toy izany.

Nahazo fandrahonana mivantana avy amin'ny olona tsy mitonona anarana noho ny fandraisany anjara tamin'ny fanentanana mitady fanavaozana ara-tsosialy ity fianakaviana Ixil manaraka ity.

Entanina mba hanaraka ny tranonkalan'ny bilaogy [3] Guatemala Solidarity Network [3] ireo mpamaky liana amin'ny fampafantarana bebe kokoa momba ny Fifanarahana Momba ny Fandriampahalemana [4] tao Guatemala .