- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saina Maneho An-tsary Ireo Olana Eo Amin'ny Fiarahamonina

Sokajy: Hevitra, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Mey 2005)

Namokatra rakitsary kanto ahitàna sary miisa valo [1] i Icaro Doria, Breziliana 25 taona mpitatibaovao [1] ho an'ny gazetiboky Grande Reportagem mifototra ao Lisbaona, ho anisan'ny andiana antsoina hoe “Meet the World”.

Ovain'ireo sary ny sainam-pirenena mba hamadiana azy ho sary maneho antontanisa momba ireo olana ara-piarahamonina sy ara-pôlitika. Lasa saritany maneho ny fidirambola isanandro ny sain'i Brezila, asehon'ireo kintana fotsy tsy dia mazava ny sangany ara-toekarena ao Brezila. Mibahana ilay kintana mavo eo ampovoany kosa ireo tsipika maitso sy mena ao anatin'ny sain'i Burkina Faso – tsipika izay maneho ireo ankizy maty alohan'ny fitsingerenan'ny taona voalohany na fahatelo nahaterahany, raha maneho ireo ankizy velon'aina hatramin'ny fahamatorany kosa ny kintana.

Misaotra an'i Joey “Accordion Guy” DeVilla [2] tamin'ireo rohy. Navoaka ihany koa tao amin'ny Worldchanging [3].