(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Mey 2005)
Namokatra rakitsary kanto ahitàna sary miisa valo i Icaro Doria, Breziliana 25 taona mpitatibaovao ho an'ny gazetiboky Grande Reportagem mifototra ao Lisbaona, ho anisan'ny andiana antsoina hoe “Meet the World”.
Ovain'ireo sary ny sainam-pirenena mba hamadiana azy ho sary maneho antontanisa momba ireo olana ara-piarahamonina sy ara-pôlitika. Lasa saritany maneho ny fidirambola isanandro ny sain'i Brezila, asehon'ireo kintana fotsy tsy dia mazava ny sangany ara-toekarena ao Brezila. Mibahana ilay kintana mavo eo ampovoany kosa ireo tsipika maitso sy mena ao anatin'ny sain'i Burkina Faso – tsipika izay maneho ireo ankizy maty alohan'ny fitsingerenan'ny taona voalohany na fahatelo nahaterahany, raha maneho ireo ankizy velon'aina hatramin'ny fahamatorany kosa ny kintana.
Misaotra an'i Joey “Accordion Guy” DeVilla tamin'ireo rohy. Navoaka ihany koa tao amin'ny Worldchanging.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...