Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Shina: Ao Beijing Ireo Pandas Olaimpika

(Marihina fa tamin'ny 9 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa miasa ao amin'ny Valan-javaboary Wolong ao Wenchuan, Sichuan, izay ivon-toeran'ny horohorontany tamin'ny volana lasa teo ilay bilaogera EastIsRed66 ao amin'ny sehatra famahanana bilaogy Sina.com . Nanokatra bilaogy vao haingana izy ary nandefa antserasera ny sarin'ireo pandas miisa valo miaina ao amin'io valan-javaboary io izay natao famantarana ny Lalao Olaimpika.

Mipetraka ao amin'ny valan-javaboary ao Beijing ireo pandas miisa valo ireo amin'izao fotoana izao, hoy izy nanoratra, nalefa fiaramanidina izy ireo nafindra toerana taorian'ny horohorontany.

Tao amin'ny lahatsoratra iray hafa izay nivoaka tamin'ny volana lasa teo, namoaka sary maromaron'ireo pandas nalaina nandritra ny horohorontany ilay bilaogera, ary nahitàna azy ireo nifamihina sy nihorohoro. Nandositra nandritra ny horohorontany ny Panda miisa roa hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.