- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azo Jerena Antserasera Ny Sarimihetsika , Lahatsary Fanadihadiana Sy Sarimihetsika Fohy Shiliana Miisa 1000 Mahery

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Sinema “Metro” ao Santiago, Shily, 1937. Sary nalaina tao amin'ny kaonty Flickr SantiagoNostalgico, nampiasàna lisansa Creative Commons (CC BY-ND 2.0).

Nanangona ny lisitr'ireo sarimihetsika Shiliana miisa 1:171 ny tranonkala Cinechile [2] , anisan'izany ny sarimihetsika fohy, ny sarimihetsika indray miseho, ireo horonantsary fanadihadiana ary ny sarimiaina amin'ny karazana samihafa sy avy amin'ny vanim-potoana maro amin'ny tantaran'ny firenena. Navoakan'ny mpamokatra antserasera ireo sarimihetsika ireo ary ny fikambanana Shiliana nanoka-tena ho amin'ny fampiroboroboana ny haino aman-jery no mitahiry izany.

Manazava ny tranonkala:

En este lugar agrupamos 1171 largos de ficción, documentales y cortometrajes que han sido subidos para verse online de manera oficial, según los sitios que los han puesto a disposición. En este sentido, destacamos la gran labor de los sitios del Archivo Digital de la Cineteca Nacional [3]Cinetecavirtual.cl [4]Cinépata.com [5] y el Archivo Patrimonial de la Universidad de Santiago [6]. Además, se suman los vínculos de numerosos realizadores que suben sus propios trabajos en la red.

Nanangona andian-tsarimihetsika,  horonantsary fanadihadiana sy horonantsary fohy miisa 1.171 izay navoaka ofisialy amin'ny aterineto izahay ato amin'ity tranonkala ity , araka ireo tranonkala izay nanolotra izany ho maimaim-poana. Izany hoe, tianay ny hanome fankasitrahana ny asa goavan'ny tranonkala toy ny Arsiva Nomerikan'ny Tranon-tsarimihetsika Nasionaly [3], Cinetecavirtual.cl [4], Cinépata.com [5] ary ny Arisivam-bakoka ao amin'ny Oniversiten'i Santiago [6]. Ankoatra izay, nanampy sarimihetsika avy amin'ny mpanatontosa sarimihetsika maro izahay izay nandefa ny asany ao amin'ny tranonkala.